Politique

Fampihavanam-pirenena Samy maka ho azy ny CFM, CRN, HMF


  • Alakamisy 15 Febroary 2018

Ratsy ny politika eto amintsika ! Tsy am-pihambahambana no ilazana fa tsy mahatoky ny rafitra misahana ny fampihavanam-pirenena izay efa najoro ireo milaza fa samy mpampihavana.

 

 Najoro ny rafitra misahana ny fampihavanam-pirenena ary nametrahana andraikitra roa lehibe dia ny fisorohana mba tsy hisian`ny krizy, andraisana fepetra dieny am-boalohany. Anjarany koa ny famahana olana ny krizy, raha mitranga. Anisan`ny hametrahana fahatoniana politika no tena antom-pisiany. Efa nanolotra ny fehin-kevitra mahakasika ny fampihavanam-pirenena ny CFM tarihin`Maka Alphonse. Naneho ny heviny ihany koa ny CRN an`i Tabera Randriamanantsoa. Dia izao indray ny HMF na ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana no nanao fanambarana. Amin’izao fotoana  izao dia mihazakazaka manao ny fampihavanana Malagasy fa dia toa nifoha tamin`ny torimasony aloha izy ireo. Samy nandre ireo fampanantenana nataon`ny mpitondra fanjakana fa hampandroso ny firenena ary hanao ho laharam-pahamehana ny fampihavanana mba hisian`ny fitoniana maharitra eto Madagasikara ny rehetra. Mifanohitra amin`izany ny zava-mitranga ankehitriny. Ho an`ny HMF manokana dia raha miendrikendrika fifaninana amin`ny tsara kosa dia tsy misy mihitsy ny olana satria tsy vitan`ny rafitra iray izany fampihavanana izany fa tsy maintsy miara-misalahy ny rehetra. Mbola olana mipetraka mikasika ity fampihavanana ity ny tsy fifankahazoana misy eo amin’ireo milaza fa samy mpampihavana. Ny olana amin’ny adilahy politika koa anefa tsy mivaha, ny eny anivon’ ny fiarahamonina mitombo hatrany ny disadisa, dia tsy fantatra mazava intsony ny hamaha ireo olana ireo satria efa samy miroso avokoa izao.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT