Nijanona ho tantara sisa ny amin’ny fampihavanam-pirenena eto Madagasikara
. Na ny CRN (Comité pour la Reconciliation Nationale) tarihin’ny filoha teo aloha Pr Zafy Albert niady mafy ny hahatanteraka an’io hatramin’ny 2002 aza mangina ankehitriny. Ilay fampihavanam-pirenena notarihin’ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara) hatramin’ny 2009, ary notohizana tamin’ny 2015 indray tsy hita popoka hatramin’izao ny fanatanterahana azy. Ireo mpanao politika nivondrona tao amin’ny VMSA (Vondrona Miaro ny Safidim-bahoaka Ara-dalàna) niseho ho saro-piaro sy nanenjika ny FFKM amin’ny andraikitra hitarika io fampihavanam-pirenena ary nipatitaka. Ny filoham-pirenena heverina fa raimandreny hampitambatra ny Malagasy, izy izay notoloran’ny mpizaika ny antontan-kevitra 19 pejy, mirakitra ny fehinkevitra tamin’ny dinika nasionaly momba ny fampihavanam-pirenena teny amin’ny CCI Ivato tamin’ny fiandohan’ny volana mey 2016 aza tsy andrenesam-peo intsony momba izany fampihavanam-pirenena izany. Ny FFM (Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy) izay rafitra najoro tamin’ny tetezamita handray an-tanana io fampihavanam-pirenena koa aza efa an-dalam-paharavana, satria efa nisy ny komity teknika notarihin’ny Pr Honoré Rakotomanana nomena iraka hamolavola rijanteny hoenti-mandrafitra izay hasolo azy. Miharihary toy ny tafika andrefan-tanàna fa tsy vonona amin’izany fampihavanam-pirenena izany ny fitondra ankehitriny sy ny HVM antoko eo amin’ny fitondrana. Vokany, savorovoro lava no niainana eto, tsy misy ny fitoniana politika. Manaporofo izany ireo trangan-javatra maromaro niseho tato anatin’ny herintaona izao. Nisintaka tao anatin’ny dinika fampihavanam-pirenena ny Pr Zafy Albert fa “mivaona”. “Fihatsarambelatsihy sy fiarovana tombontsoan’olontokana no betsaka”, hoy indray ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina. Nihanona tamin’ny hoe “voaray” ny fehin-kevitra ary “hojerena izay azo tanterahina” ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Tsy navoakany hatramin’izao ny didim-panjakana mampijoro ireo vaomiera roa natsanganan hanara-maso ny fampiharana ny tapaky ny mpizaika teny Ivato mikasika iny fampihavanam-pirenena iny. Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana etsy ankilany mamerimberina ny mahazava-dehibe ny fampihavanam-pirenena hisian’ny fitoniana. Marc Ravalomanana manokana aza nandroso hevitra ny hanaovana «Pacte de stabilité» tamin’ny fotoana nampivaivay ny fifanolanana teo amin’ny Solombavam-bahoaka sy ny Filohan’ny Repoblika, nikasan’iretsy voalohany hanonganana ny filoha tamin’ny toerany, ka nanaovan’izy ireo “motion de déchéance” nitohy tamin’ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta (motion de censure) fa ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana no niaro tsy hisian’ny krizin’andrimpanjakana ka nandroso ny hanaovana «Pacte de responsabilité» mba tsy hifanonganana. Mipetraka ny fanontaniana raha nampiharina io, manoloana ny fanesorana tamin’ny fomba hafahafa ny praiminisitra Ravelonarivo Jean sy ny governemanta notarihiny. Vokatry ny tsy fahavitan’io fampihavanam-pirenena io dia mirongatra ny tsy fandriampahalemana, ny fandrobana ny harem-pirenena, ny kolikoly sy tsy fanajana ny tany tan-dalàna. Manjaka ny fanilikilihana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.