Politique

Fampihavanam-pirenena Ny Barea no mahavita


  • Zoma 27 Desambra 2019

Nanomboka ny taona 2019 dia mbola hita soritra ny ady politika satria vao nahavita fifidianana filoham-pirenena i Madagasikara.

 

 

Nandeha teny ny volana dia nanomboka niditra krizy ny sehatra maro samihafa. Ny volana jona 2019, toa adino tanteraka ireny. Nametraka ny dian-tanany teo amin`ny kaontinanta afrikanina ny  Barean’i Madagasikara nandritra ny fiadiana ny amboara afrikanina (CAN 2019) eo amin`io taranja io tany Egypta ny volana jona sy jolay lasa teo. Nampiray fo tanteraka ny Malagasy rehetra ary ny fanohanana ny Barea no nibahan-toerana ao an-tsain`ny ankamaroan`ny olona ankoatra ny fitadiavana amin`ny fiainanana andavanandro. Tsy nijanona hatreo ny fahagagana nataon’ny Barea fa mbola notohiziny nandritra ireo lalao fifanintsanana CAN 2021 ny volana novambra lasa teo. Niara-paly tamin'ny Barea indray ny vahoaka Malagasy iray manontolo. Nandritra ny lalao tao amin`ny kianjaben`i Mahamasina ny 16 novambra lasa teo aza dia nihorakoraka hatramin’ny filoham-pirenena. Tsaroana tsara anefa ireo siotsioka niainan`ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny filoham-panjakana, Rivo Rakotovao rehefa tonga manotrona ekipam-pirenena. Amin`izao, tsy misy intsony ny fijerena loko politika rehefa Barea no resaka. Marihina fa ny fanatanjahantena dia antoka lehibe iray eo amin`ny fanabeazana any ivelany. Mampifandray sehatra ara-tsosialy maro ka manomboka miaina izany isika amin`izao. Nahazo toerana tsara ao am-pon`ny vahoaka ny baolina kitra raha toa ka kivy foana an-taona maro. Noho io taranja io dia niray fo ireo mpanao politika. Samy niaiky ny rehetra fa tsy mbola niray hina sy niray saina tahaka izao ny vahoaka Malagasy. Na ny filohan`ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy aza dia nilaza fa vitan`ny Barea no nampihavana ny Malagasy rehetra ary trangan-javatra efa hita izany tany amin`ny firenen-kafa toy ny tany Cote d`Ivoire. Azo antoka aloha fa rehefa misy ny firaisankina eo amin`ny vahoaka Malagasy dia hisy ny fandrosoana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT