Nivoaka ankehitriny ny anaran’ireo izay niharam-boina nandritra ny disadisa politika niseho tao anatin’ny 11 taona tany Cote Ivoire (1990-2011).
Nahatratra 316.000 mahery ny isan’ireo olona niharam-boina izay homen’ny komitin’ny fampihavanam-pirenena fankaherezana sy vola noho ny voina nahazo azy. Tany Afrika Atsimo ihany koa dia herinandro lasa izay no nanamarihana ny faha 20 taonan’ny nanaovana ny fampihavanana sy ny famoahana ny marina rehetra momba ny ady tamin’ny fanavakavaham-bolon-koditra. Ho an’ny vono moka niseho tany Rwanda tamin’ny 1994 indray dia mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana ary dia misy tokoa ireo voasazy sy mandoa onitra ary ny naiditra am-ponja noho ny heloka ara-politika vitany. Ny itanisana izany rehetra izany dia ny hitaritana ny saintsika Malagasy fa ny fampihavanana eto amintsika tsy mandroso kanefa ilaina ny fifamelana sy ny fifandeferana raha te hibanjina ny ho avy miaraka. Efa nitsangana hatramin’ny andron’ny Tetezamita ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy na FFM. Efa niditra an-tsehatra ihany koa ny mpitondra fivavahana nampihavana ary ny filoham-pirenena ankehitriny mihitsy no nilaza fa handray an-tanana azy io satria izy no rain’ny fampihavanana, araka ny nambarany teny amin’ny CCI Ivato, herintaona lasa izay. Tsy maintsy hisy ny zavatra hiova, hoy izy kanefa ankehitriny tsy hita izay fandrosoan’ny fampihavanana. Dia sanatria ho very an-javony ve izany ny fivoriambe teny Ivato ny 28 aprily ka hatramin’ny 02 mey 2015 ? Ny fiomanana mialoha io efa asa be tahaka ny inona. Natolotry ny FFKM ny filoham-pirenena ilay fehin-kevitra 19 pejy, dia ahoana ny tohiny herintaona aty aoriana ? Toa ny fifandrafiana sy fanenjehana indray aza no mitombo. Tsy te hahalala sy tsy te hiresaka izany fampihavanana izany intsony ny HVM vantany vao nahazo ny maro an’isa tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy loholona ary dia io tsy hita popoka io ny FFM. Tsy fantatra intsony na mbola miasa na mihinam-bolam-bahoaka fotsiny sisa. Rehefa ny mpitarika izay moa no tsy marisika dia malaina ho azy ny rehetra.
Ra-bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.