Niaiky ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na ny FFM omaly fa tsy vitan'izy ireo irery ny fampihavanana.
Niantso ireo vonona hanohana sy hiaraka hiasa amin'izy ireo ny FFM, araka izany, mba hisian'ny filaminana sy ny fitoniana eto amin'ny firenena. Ankoatra ny fampihavanana mantsy dia anisan'ny asa mavesatra miandry azy ireo ny resaka famotsoran-keloka toy ny an'ny filoha Marc Ravalomanana izay nanontanian'ny mpanao gazety azy ireo omaly. Nambaran'ny filohan'ny FFM Rabotoarison Sylvain nandritra izany fa miankina amin'ny fitondrana misy amin'izao fotoana ny fanatanterahana azy io. Na izany aza dia nambarany fa efa miasa izy ireo ary antontan-taratasy maro no efa ketrehiny amin'izao fotoana izao. Mikasika ny raharaha any Atsimo manokana moa dia nilaza ny FFM fa handray ny andraikiny saingy nambarany fa tsy mbola amin'izao fotoana mampafana be ny raharaha izao aloha. Na izany aza dia nilaza izy ireo fa efa nandefa olona any Amboasary Atsimo mijery sy manara-maso akaiky ny zava-misy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.