Politique

Fampihavanam-pirenena Nandringa sahady


  • Alakamisy 14 Septambra 2017

Tsikaritra nandritry ny lanonam-pianianana nataon’ireo 33 mianadahy handrafitra ny filankevitry ny fampihavanam-pirenena Malagasy (CFM) tetsy amin’ny Fitsarana avo Anosy omaly fa nalaina ny hanotrona teny an-toerana ireo solontena avy amin’ny antoko mpanohitra.

 Na ny solontenan’ireo antoko lehibe aza maro no tsy tao. Fa lasa aiza avokoa ? Tsikaritra ihany koa fa samy nanana ny heviny amin’ny andraikitr’ity rafitra vaovao vao nitsangana ity ireo manampahefana nanontanina. Nilaza ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Mahafaly Solonandrasana, fa mila trandrahana aloha ny fahamarinana rehetra mialoha ny hahatongavana amin’ny fifamelana. Maha zava-dehibe ny andraikitr’ity CFM ity kosa, hoy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Rakotomamonjy Jean Max, ny hamahany ny disadisa eo amin’ny fiarahamonina. Araka ny kabarin’ny solontenan’ireo mpikambana kosa dia andraikitr’izy ireo ny handinika ny toe-javatra nateraky ny krizy rehetra nandalo teto amin’ny firenena. Araka ny nambaran’ny mpikambana, Maka Alphonse, moa dia anisan’ny hodinihina ny mikasika ny famotsoran-keloka ary araka ny voalazan’ny lalàna ao amin’ny andininy 2016 – 027 dia mahaleotena amin’ny asany ny CFM.

J. Mirija


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT