Anisan’ny dingana iray manohy ny fifampiresahana eo amin’ny samy Malagasy izay efa natomboka tamin’ny taona 2009-2010 ihany koa amin’ny ankapobeny iny sori-dalana nosoniavina tamin’ny sabotsy iny, raha ny fanazavan’ireo vondrona politika folo, dia ireo efa anaty fitondrana amin’izao fotoana izao.
Manokatra dingana iray vaovao mikasika io fifampidinihan’ny samy Malagasy io ihany koa izany. Niteraka resabe tamin’ny fifampiraharahana farany teo anefa ny nikasika ilay fanitsiana ny andalana faha-20 tamin’ny tondrozotra. Tsy azo tsoahana anatin’ny resaka fototra ny adihevitra mikasika io fanovana io, hoy ny V10 nanazava. Hevitra fototra roa no anton’izany dia ny maha tany tan-dalàna antsika izay nanao sonia mikasika ny fanajana ny zon’olombelona sy ny fanajana ny fahaleovantenan’ny fitsarana.
Noho izany, raha hiroso amin’ny fampihavanana isika dia tsy maintsy misy aloha ny fitsarana. Ity fampihavanana ity izay voalaza fa mitaky toe-tsaina vonona hiatrika ny marina. Ity farany izay tokony hikajiana toy ny anakandriamaso ny tondrozotra izay natao hanilihana ny krizy politika misy eto. Eto dia ny famaranana ny tetezamita amin’ny alalan’ny fanarahana ny voalaza rehetra ao amin’io sori-dalana io no tokony hatao. Faranana ihany koa ny fahasahiranana amin’ny alalan’ny fiverenan’ireo famatsiam-bola sy fanampiana rehetra. Ankoatra izay ny fiverenana amin’ny ara-dalàna manaraka ny lalàmpanorenana. Eto izany dia nohazavain’ny V10 fa tokony hisy ny finiavana marina eo amin’ireo mpanao politika rehetra, ka isika no hanapaka sy hametraka ny tetiandrom-pifidianana rehetra sy ny rivotry ny fandriampahalemana vaovao.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.