Politique

Fampihavanam-pirenena Miala any sahady ny resa-bola


  • Zoma 15 Septambra 2017

Vao niandoha dia efa niteraka adihevitra maro ny fomba nananganana ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na ny CFM.

Olona manana ny maha izy azy avokoa ireo mpikambana, ary matoa ireny ny vokatry ny safidy, dia heverina fa hahavita ny fampihavanam-pirenena, andraikitra sy adidy goavana hampiantsorohana azy. Ny ahiahy anefa tsy hihavanana, hoy ny fitenenana Malagasy. Tsy vitsy ireo efa nitondra fanakianana momba azy ity nanomboka tany amin’ny fifantenana, ny mikasika ireo tsangan’olona sasantsasany. Ny mampiahiahy dia ny fandrenesana fa efa notoloran’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny ekipany vola 1 tapitrisa ariary avy ireo mpikambana. Tamin’ny fotoana tsy mbola nahavitan’ny fianianana no voalaza fa nisian’io toe-javatra io. Tsy mbola voafaritra akory ny asa hiantsorohan’ny tsirairay na ny programa hotanterahina, hahafahana milaza fa vola hoenti-miasa. Inona no antony nizarana vola ho azy ireo, kanefa tsy nanomboka akory ny asany ? Inona no tambin’io vola io sy ny vola mety mbola homena an-tsokosoko ? Mampanahy sahady ny zava-misy amin’izao fotoana ary ahiana tsy ho tonga any amin’ny tena fampihavanam-pirenena ny raharaha fa vao mainka hanakorontana an’i Madagasikara. Efa nametraka adihevitra lehibe ny nanendren’ny filoham-pirenena ny mpikambana miisa 11, ary vao mainka hiteraka tsy fahatokisan’ny maro. Ahiana ho efa tafaroboky ny fanjakana HVM ao anaty haratony ity CFM ity, ka mety hobaikoany amin’izay hitiavany azy. Mandeha ny resaka fa homena baiko ny CFM hisakana ireo olona atahorana amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018. Tafiditra ao anatin’ny asa fampihavanam-pirenena rahateo ny resaka famelan-tsazy ho an’ireo tafiditra tamina raharaha politika lehibe, ka vao mainka halentika ireo atahorana amin’ny fifidianana. Ny ho avy no hitsara !Toky R


Ranaivoson Désiré, Mpandrindra nasionalin’ny antoko Marina : “ Ny zavatra andrasana amin-dry zareo dia ny famaritana ny tanjona kendrena, ny asa miandry azy amin'izany ary ny dingana tsy maintsy lalovana. Ireo rehetra ireo dia miainga avy amin'ny fandinihana ny zava-misy. Ny fampihavanana mantsy tena “multi-dimensionnel” be ka izay no mila faritana tsara fa tsy voatery voafetra amin'ny resaka politika”.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT