Politique

Fampihavanam-pirenena Lasa kajikajy politika


  • Talata 30 Aogositra 2011


Manomboka miantsoantso fampihavanana indray tato ho ato izay ny ankamaroan’ny mpanao politika, nisy mihitsy ireo milaza fa izany aloha no tokony hirosoana izay vao soniavina ilay sori-dalana ary atsangana amin’izay ny tetezamita iaraha-mitantana. Tena finiavana handamina ny krizy sy ny firenena ve izany sa kajikajy politika fotsiny ? Izay izao no manitikitika ny maro. Raha vao miresaka fampihavanana mantsy dia tsy maintsy tafiditra ao ny famotsoran-keloka, izay tena ilain’ny mpanao politika maro satria raha voaheloka dia tsy afaka milatsaka hofidiana amin’ny fifidianana rehetra. Lohalisitra amin’izany mila famotsoran-keloka izany i Voninahitsy Eugène, mpikambana CT no sady mpitarika ny vondrona Les AS ary anisan’ireo nanasonia ny dina repoblikanina.

Mety ho noho izay angamba no mahatonga azy mivadi-dela sy manomboka manakiana mafy ny fihetsiky ny FAT izay tsy fantatra intsony na mandroso na mihemotra. Araka ny tsiliantsofina re dia efa hatramin’ny 2009 no nanantena famotsoran-keloka ireo gadra politika navoakan’ny FAT saingy nanao be mareina na mody fanina tamin’io resaka io ny FAT. Azony natao tsara anefa ny namoaka famotsoran-keloka tamin’ny alalan’ny didy hitsivolana, ho an’ireo mpanao politika ireo. Ankehitriny dia leon’ny miandry izy ireo, ka mandon-databatra amin’izay. Raha tsy hanao zavatra i Andry Rajoelina dia tsy mahamenatra ireo mpanao politika ireo mihitsy ny hanatevin-daharana ny Magro ka izay vao ho raharaha ny an’ny FAT satria ny ao an-dapa izany sisa no manohana ny fanjakana. Koa raha mamerimberina ny maha zava-dehibe ny hanaovana ny fampihavanam-pirenena miaraka amin’ny ankolafy rehetra ny mpanao politika ankehitriny dia mety efa misy kajy matotra ao ambadik’izay fa tsy hoe nilatsahan’ny fanahy masina tampoka izy ireo ka tena niova fo marina !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT