Politique

Fampihavanam-pirenena Igagam-bahoaka ny CFM


  • Zoma 01 Septambra 2017

Mahagaga anay, hoy ry zareo avy eo anivon’ny vovonana politika Dinika ho an’ny Fanavotam-Pirenena, tao amin’ny foiben’ny AKFM Andravoahangy ambony, omaly,

ny mahita ireo antoko lehibe izay tarihin’ireo filoha teo aloha nampidirina ao anatin’ilay komitin’ny fampihavanam-pirenena vaovao. Toa io komity izay tsy tafiditra ao anaty Lalàmpanorenana io indray, hoy izy ireo, izao no efa in-droa niova fa ny Fitsarana Avo afaka mitsara ny filoham-pirenena na ilay antsoina hoe : Haute Cour de Justice tsy misy tokotaniny hatramin’izao, raha tokony ho efa nitsangana herintaona taorian’ny nahalanian’ny filoham-pirenena. Nilaza ny tsy fahafaham-pon’izy ireo tamin’ny fanovana governemanta koa moa ny DFP ary isan’ny tena nahagaga azy ireo indrindra ny nanomezana ny minisiteran’ny raharaham-bahiny hotantanin’ny tale kabinetran’ny filoham-pirenena teo aloha, Henry Rabary-Njaka. Ity farany, hoy izy ireo, efa sady nanondrana tao amin’ny Air Madagascar no nanondrana fony izy teo akaikin’ny filoham-pirenena. Manjavozavo be ny tontolo politikantsika, hoy ny DFP, taorian’ny fananganana ny CFM. Tokony handiso ny tsy fankasitrahany ny fitondrana ankehitriny, hoy ry Doudou, ireo nilaza izany teo aloha raha toa efa mankasitraka tampoka teo amin’izao fotoana. Marihina fa noraisin’ny filoham-pirenena teny Iavoloha ireo mpikambana 33 ao anatin’ny CFM omaly.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT