Hotontosaina eny amin’ny lapan’ny Fitsarana an-tampony Anosy anio alarobia 13 septambra amin’ny 11 ora antoandro ny fianianan’ireo mpikambana 33 vaovao mandrafitra ny CFM (Conseil du Fampihavanana Malagasy).
Hiroso avy hatrany amin’ny fivoriambe voalohany famolavolana ny fitsipika anatiny miaraka amin’ny fifidianana ny birao maharitra sy ireo filoham-baomiera samihafa ity rafitra voalazan’ny lalàna hiandraikitra ny fampihavanam-pirenena eto Madagasikara ity. Miankina amin’ny fanapahan-kevitra iombonan’ireo mpikambana ny fandaharam-potoana amin’ny fizotran’ny asa hotontosaina, hoy ny mpitondra tenin’ny FFM (Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy) teo aloha sady mpikambana ao amin’ny CFM, Maka Alphonse. Soso-kevitra laharam-pahamehana haroson’ity mpikambana ao amin’ny CFM ity moa ny fanapariahana sy fampahafantarana amin’ny vahoaka Malagasy ny lalàna mifehy ny fampihavanam-pirenena. Matoan-dresaka eny anivon’ny fiarahamonina hatrany mantsy ny momba azy io fa tsy misy mahalala ny tena vontoatiny. Tsy mitovy rahateo ny fomba fijery sy ny fandikan’ny olom-pirenena ny fijoroan’io rafitra ara-panjakana io. Andraikitra goavana miandry azy 33 mianadahy mpikambana kosa ny fametrahana tontolo politika, toekarena ary sosialy milamina manoloana ireo lonilony isan-karazany misy eto amin’ny firenena, araka ny fanazavany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.