Politique

Fampihavanam-pirenena Fransman indray no manome lesona


  • Alatsinainy 13 Aogositra 2012

Niakatra pilipitra tao amin’ny Katedraly anglikana Santa Laurent Ambohimanoro, omaly alahady 12 aogositra, ny minisitra lefitra afrikanina tatsimo misahana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana iraisam-pirenena, sady mitarika ny iraka avy amin’ny Troika-SADC manelanelana ny krizy Malagasy, Marius Fransman.

 Rehefa tsy vita tany amin’ireo efitrano nifandimbiasana nanaovana fivoriana nitadiavana vahaolana handaminana ny krizy Malagasy dia tany am-piangonana izy no nitondra ny teny fampisaintsainana ny Malagasy, indrindra ny mpanao politika sy ny mpitondra fivavahana. Mpanao politika avy amin’ny ankolafy samihafa rahateo no tonga tao amin’ny Katedraly anglikana Santa Laurent Ambohimanoro tamin’io omaly io. I Marius Fransman indray no lasa mpanome lesona ny Malagasy amin’ny tokony hisian’ny fampihavanam-pirenena, ny hisian’ny diniky ny samy Malagasy momba ny raharaham-pirenena. Nalainy ohatra i Nelson Mandela. Miantso ny mpitondra fivavahana ihany koa izy handray andraikitra. Nifanojo tamin’ny fetim-piangonana tao Ambohimanoro ity fotoana ity. Na izany aza, ny tranga omaly io dia maneho indray fa mifamatotra amin’ny fiainam-pirenena ny fiangonana, ary ara-tantara io, fa resabe nampidirin’ny mpanjanaka teto fotsiny ny hoe “laicité de l’Etat” na ny tokony hampisarahana ny fivavahana amin’ny raharaham-panjakana.

Tena mbola olana

Nanamarika iny faran’ny herinandro iny ny fihaonan’ity iraky ny Troika-SADC ity tamin’ireo herivelona eto Madagasikara, nampahafantarana ny fandehan’ny fihaonana in-droa miantoana natao tatsy Seychelles teo amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina ary koa nihainoana sy nakana ny hevitr’izy ireo mikasika ny fifidianana araka ny tetiandro navoakan’ny CENIT. Voakasik’izany na ireo nanao sonia ny tondrozotra na ireo tsy nanao toy ireo sendika izay nanao fihetsiketsehana amin’izao fotoana, ny foloalindahy izay nidinika naharitra tamin’izy ireo. Ny fampiharana ny andininy faha-20 sy faha-45 ao amin’ny tondrozotra milaza ny fodiana an-tanindrazan’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny fitsarana azy, no hita fa tena mbola olana hatreto. Milaza ny handray andraikitra ny SADC mandritra ny fihaonana an-tampony izay hatao atsy Maputo amin’ny herinandro ambony. 
 
 
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT