Politique

Fampihavanam-pirenena Be loatra ny kajikajy


  • Talata 06 Desambra 2016

Hatramin’ny taona 2009, tsy mbola tafapetraka ny fampihavanana tena izy.

 

 Mbola lavitry ny afo ny kitay satria na ilay fampihavanana aza tsy mety miatomboka fa sarintsariny hatrany no hita.

Efa nangingina teo aloha ny fitakiana tombontsoa manokana avy amin’ireo rafitra isan-karazany izay nisora-tena ny sasany ary napetraka ny hafa. Ho mpampihavana ny olom-pirenena manerana ny faritany no tanjona. Vao nandray ny toerany anefa izy ireo dia ny kara-tsolika sy kara-pahana ho an’ny finday no notakiany avy. Adihevitra be omaly ny teny anivon’ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza mikasika ireo olona 18 kasaina handrafitra ny komity vaovaon’ny fampihavanam-pirenena. Tao ireo tsy nanaiky ny hitsabahan’ny filoham-pirenena amin’ireo mpandrafitra ity komity ity. Raha tsiahivina moa dia ny filoham-pirenena no voarakitra ao anatin’ny tolo-dalàna mikasika azy io fa tokony hanendry olona 6 handrafitra ny komity. Tao koa ireo nitaky ny hanafoanana ny andalana faha-13 sy faha-14 ary faha-42 ao amin’ny tolo-dalàna. Singanina manokana ity andalana farany ity izay mikasika indrindra ireo niharam-pahavoazana tamin’ireo hetsi-panoherana faramparany teto amin’ny firenena. Adihevitra be omaly fa tsy tokony ho ireo niharam-pahavoazana tamin’ny taona 2002 sy 2009 ihany no omena fitsimbinana manokana fa ireo izay mbola velon’aina rehetra tamin’ireo tolona tranainy koa. Io omaly io moa no tokony ho natolotra ny anaran’ireo 18 mianadahy handrafitra ny komitin’ny fampihavanam-pirenena saingy mbola hanahirana ny adihevitra sy ny kajikajy raha ny fizotrany omaly.


Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT