Mbola lavitry ny kitay ny afo amin’ny resaka fampihavanam-pirenena amin’izao. Raha ny marimarina kokoa dia fampihavanana politika satria ny mpanao politika no tena miady sy mifanjinja miteraka fahapotehan’ny firenena sy loharanon’ny krizy eto izay miseho isaky ny folo taona eo ho eo.
Nandeha ny krizy 1991, 2001, 2009, ary tsy hay indray izay hiseho amin’ity 2018 ity. Misy ny maneho fahavononana sy milaza fa tsy ho sakana mihitsy amin’ny fifampiresahana, tahaka ny efa nambaran’i Marc Ravalomanana hoe: mifampiresaka amin’ny Malagasy rehetra, indrindra fa ho amin’ny fikatsahana ny soa ho an’ny firenena sy mba ho amin’ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy. Niarahan’ny rehetra nandre kosa ny valin-kafatry ny filoham-pirenena ho an’ny mpanao politika sasany maniry ny hisian’ny fifampidinihana sy fifanarahana ara-politika, izay nanao valy boraingina sy tsy vonon-kiresaka sy hiady hevitra akory nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona teny Iavoloha ny 5 janoary teo. Tsy mbola misy akory ny zavatra tapahina dia efa ny fandavana no nandeha aloha. Ny filoha Hery Rajaonarimampianina mihitsy anefa tany am-boalohany no nilaza fa hitarika ny fampihavanana. Olana goavana eto amintsika ihany koa ny tsy fanekena sy tsy firaharahiana ankitsirano izay zavatra nekena sy nosoniavina, raha tsy hilaza afatsy ny tondrozotra, izay efa navadika ho lalàna. Inona no antoka, fa hanaiky mora foana izay mety ho zavatra tapaka amin’ny fampihavanana tarihin’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na ny CFM eo ny mpanao politika ? Maro ny firenena niady sy potika taty Afrika, toa an’i Rwanda sy Afrika Atsimo kanefa nahay nifandamina ary nirindra sy niroborobo ny firenena. Tsy mba mahay maka lesona tamin’ireny mihitsy ve ny Malagasy ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.