Nafanafana ny kabary politika tao amin’ny Kianjan’ny Finoana, Magro Behoririka, ny sabotsy 23 jona teo.
Voakiana mafy nandritra izany ny SADC, izay mitavozavoza fiasa manoloana ny fampiharana ny tondrozotra. Nanao tsiahy ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Dr Randriamaholison Jules Henri, fa nanao tsindry mba tsy hilazana fa nanery i Marius Fransman, mpanelanelana iraky ny SADC, ny hanaovan’ny ankolafy Ravalomanana sonia io sori-dalana, fa afaka herinandro dia mody i Marc Ravalomanana, hoy izy. Folo volana aty aoriana anefa dia tsy mbola tafaverina an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana. Ny fivoriana handaminana ny krizy eto Madagasikara natao tany Windhoek (Namibia), Luanda (Angola), Sandton (Afrika Atsimo)… dia samy nilaza fa maika ary tsy maintsy tanterahana ny famerenana an-tanindrazana an’i Marc Ravalomanana nefa vao omaly (zoma) ny SADC no niantso ny birao fifandraisany eto hampihaona ireo nanao sonia ny sori-dalana, saingy dia ny ankolafy Ravalomanana sy Zafy ary vondrona iray hafa ihany no tonga teny Ankorondrano ka dia mihemotra ho amin’ny alakamisy 28 jona indray ny fihaonana.
Efa im-piry isika no nidradradradra nitaky ny fodian’i Dada, hoy hatrany ny Dr Randriamaholison Jules. “Koa rahoviana ? Izay no fanontaniana mila valiny”, hoy izy. Toy izany koa ny hoe “miala i Andry Rajoelina”, nefa gaga isika fa vao mainka izy nahazo fitenenana teo anivon’ny Firenena Mikambana ary farany teo aza dia mbola niteny tany Rio (Brezila). Niaiky ny Dr Randriamaholison Jules fa tsy mbola ampy ny tolona. Ilaina ny tolona, hoy izy, fa mila hatsaraina hatrany. Ny olana mantsy rehefa mijanona kianja isika dia hodian’ireo tsy hita sy tsy misy. Maninona raha manokana andro iray anaovana fitakaiana an’arabe ?”, hoy ity mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity.
Toa manamafy izay ny tenin’i Zafilahy Stanislas fa fahavalon’ny tolona ny fotoana ela loatra ary izay koa ny tetik’i Andry Rajoelina amin’izay dia mihena isan’andro ny olon-dRavalo. Rehefa izay dia nampitandrina ankolaka ity filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita ity, raha te hahita ny vahoakan-dRavalomanana ny SADC. Fa nohamafisina tao amin’ny Magro behoririka ny sabotsy 23 jona teo, ny tsy hanatrehan’ny ankolafy Ravalomanana ny 26 jona eny Mahamasina. Na izany aza dia hankalaza ny fetim-pirenena izy ireo rehefa tsy nanao izany hatramin’ny taona 2009. “Tsy fankatoavana mpanongam-panjakana, fa noho isika efa anaty fanjakana”, hoy ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita Randrianjatovo Henri Victor. “Tsy fety no hataontsika fa fangalana hery sy fandrehetana ny afon’ny fitiavan-tanindrazana indray”, hoy kosa i Zafilahy Stanislas.
Nagonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.