Politique

Fampiharana ny tondrozotra Mandefa iraka mpanaramaso ny OIF


  • Talata 06 Martsa 2012

Mikatso ny fampiharana ny tondrozotra. Maro amin’ireo andininy voalaza ao anatiny no tsy mbola misy tokotaniny ny fanatanterahana azy na dia efa nisy aza ny fe-potoana napetraka.

 Goavana indrindra amin’ireny ny tsy fahatontosan’ny fandaniana ny lalàna momba ny famotsoran-keloka sy ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Tsy vitsy moa ireo mihevitra fa tsy hahavaha olana ny tondrozotra ka efa mikaroka lalana hafa. Anisan’izany ry zareo mpikarakara ny “Diniky ny samy Malagasy ny herinandro lasa teo izay namoaka fehin-kevitra milaza ny famolavolana tondrozotra vaovao itondrana ny firenena. Eo anatrehan’ny fikorontanan’ny tontolo politika ankehitriny dia mandefa iraka eto amintsika ry zareo avy ao amin’ny OIF na ny Frankofonia. Hatry ny omaly no efa nigadona teto an-drenivohitra ny delegasiona avy ao amin’ny filankevitra maharitra momba ny frankofonia tarihan’i Edem Kodjo ary ahitana ihany koa an’i Hugo Sada. Ireto farany izay efa tsy zoviana amin’ny raharaha Madagasikara satria i Edem Kodjo dia efa nitarika ny fanelanelanana tany am-piandohan’ny krizy raha ny fanomanana ny fifidianana kosa no antony ivezivezen’i Hugo Sada eto Madagasikara. Hanara-maso ny fampiharana ny tondrozotra no anton-diany, araka ny fampitam-bavovao avy amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny. Horaisin’ny minisitra Pierrot Rajaonarivelo ry zareo anio saingy hatramin’ny zoma izao kosa ny faharetan’ny iraka tontosainy. Tsy mbola fantatra kosa ny fandaharam-potoany manaraka.
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT