Mbola resabe ary miteraka adihevitra mandraka ankehitriny ny fampiharana ny lalŕna, indrindra manoloana ny fametraham-pialan’ireo mpitondra fanjakana, kandida filoham-pirenena toy ny lehiben’ny faritra, minisitra, parlemantera ary koa ny filohan’ny tetezamita.
Mametra-pialana avy hatrany izy ireo aorian’ny famoahana ofisialy ny lisitr’ireo kandida araka ny fanapahan’ny CES na ny fitsarana manokana misahana ny fifidianana, ny lalàna hafa indray anefa manondro mazava fa 60 andro alohan’ny androm-pifidianana izy ireo no tokony mametra-pialana, araka ny nambaran’ny Praiminisitra. Nodinihina manokana nandritra ny filankevitry ny governemanta natao ny alarobia 08 mey teo io fifanoherana io, ary nanasana ny mpahay lalàna, Honoré Rakotomanana. Nanazava ity farany fa amin’ny vanimpotoana misy an’i Madagasikara izao, dia ny fepetra manokana no mihatra. Araka izany dia ilay fanapahana voalohany navoakan’ny CES ny 03 mey teo no manan-kery. Hatramin’ny omaly anefa dia tsy mbola nisy niroso tamin’izay fametraham-pialana izay fa samy mihenahena avokoa.
Tsy nahazo rariny
Ankoatra izay dia re fa hiverina handinika ny mikasika ny CES manokana ny governemanta amin’ity anio ity. Fanontaniana mipetraka koa mantsy ny hoe inona no tian’ny CES hambara amin’ilay hoe fametraham-pialana aorian’ny famoahana ny lisitr’ireo kandida ofisialy : famoahana ny lisitra amin’ny gazetim-panjakana sa famoahana azy amin’ny haino aman-jerim-panjakana satria tsy misy fanazavana matotra ny amin’io, ka hararaotin’ireo kandida mpitondra izay resaka manjavozavo izay, ka mampihenahena azy ireo tsy mametra-pialana. Marihina fa nangata-panazavana mikasika an’io tany amin’ny CES ihany koa i Pierrot Rajaonarivelo sy ny filohan’ny tetezamita saingy samy tsy nahazo rariny, fa dia natsipin’ny CES any amin’ny governemanta ny famaritana ny atao hoe mpitondra fanjakana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.