Politique

Fampiharana ny demokrasia malalaka Laharana faha-56 i Madagasikara


  • Alarobia 04 Mey 2016

Efa any amin’ny laharana faha-56 isika eto Madagasikara ankehitriny amin’ny fandalana ny demokrasia malalaka raha tany amin’ny laharana faha-180 tamin’ny taona 2015.

 

 

Ahitana taratra izany, hoy ireo tompon’andraikitra maro samihafa tonga nanatrika ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety tetsy amin’ny lapan’ny tanàna omaly fa efa mihamivoatra isika. Efa afaka manao ny asa malalaka  ny mpanao gazety saingy na izany aza mbola misy ihany ny indro kely. Mbola betsaka mantsy ireo mpanao gazety velon-taraina fa voasakantsakana amin’ny asa hiandraiketany,  indrindra fa ny fanangonam-baovao. Nanambara ny Minisitry ny serasera sy ny Andrim-panjakana Vonisoa Andrianjato nandritra izany fa vonona hanohana sy hanampy ny mpanao gazety hatrany ny tenany  saingy miantso ny rehetra kosa mba hanaraka  tsara ny éthique sy ny deontologia napetraka eo am-panatanterahana  ny asa. Tsy hihoa-pefy, hoy ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety Rakotonirina Gérard na teren’ny resa-politika fotsiny ihany fa mba tena hanao ny asany  araka ny tokony ho izy ho tombontsoan’ny rehetra. Nomarihana nandritra izany ny tsingerintaona faha- 150 nisian’ny asa fanaovan-gazety teto Madagasikara, ka nanokanana  ny tsangambaton’ny  fahamarinana tetsy ny amin’ny lapan’ny tanàna Analakely. Nisy ihany koa ny fanolorana loka ho an’ireo mpanao gazety telo voalohany mendrika tamin’ny fifaninanana momba ny fanabeazana aizana sy ny miralenta nokarakarain’ny UNFPA. Anisan’ny nahazo   tamin’izany ny ekipan’ny gazety Jejoo tamin’ny alalan-dRakotomalala Ravaka, lefitry ny tonian-dahatsoratra. Nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana ny talen’ny kabinetran’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.


Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT