Afa-po izahay FFM tamin’ny ankapobeny tamin’ny fikarakarana ny atrikasa fampihaonana ireo mpampihavana notontosaina tety amin’ny Panorama Andrainarivo nandritra ny roa andro (9 sy 10 aprily).
Io no anisan’ny nambaran’ny jeneraly Rabotoarison Charles Sylvain filohany. 175 no taratasy fanasana nalefa, nahatratra 150 ireo namaly ny antso niatrika ny dinika. Tena liana amin’ny fampihavanam-pirenena avokoa ireo mpizaika, hoy izy. Santatra ambaravarano ihany iny fa ny manetsa be mbola ho avy. Ary dia hoentina any amin’ny Faritra samihafa ny hevitra voavolavola teto ka hakana ny hevitry ny any ifotony hodinihana miaraka amin’ireo Sojabe, Lonaka … handrafetana ny paikady hoentina hanatanterahana an’ity fampihavanam-pirenena ity. Hodinihina anatin’ny fivoriambe hataon’ny FFM anio ireo soso-kevitry ny mpizaika amin’ny hitondrana ny fehinkevitra any amin’ny FFKM.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.