Nanamafy ry zareo eo anivon’ny Vondrona Eoropeanina fa manaiky ny fehin-kevitry ny SADC izy ireo, ary tsy maintsy tanterahana faran'izay haingana ny fihaonana eo amin'i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana.
Efa nampoizina ihany moa izany satria miray feo hatrany amin'ny endrika itondrana ny famahana ny krizy eto Madagasikara ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ary matoa mivoaka ny fanapahan-kevitra tahaka ireny, dia efa nisy ny fifampiresahana tany ambadika tany. Tsy azo ihodivirana, araka izany, ity fihaonana ity ary tsy misy safidy hafa fa dia tsy maintsy mihaona ireo filohan'ankolafy roa fototry ny krizy ireo. Tato ho ato izay mantsy dia miezaka ny manely ireo mpomba ny filohan'ny tetezamita fa hoe any amin'i Andry Rajoelina, hono, ny fanapahan-kevitra farany, ka afaka manaiky na koa manda io fihaonana io izy.
Diso tanteraka anefa izany fomba fijery izany, satria na hihodin-kavia na hihodin-kavanana i Andry Rajoelina dia tsy maintsy mihaona amin'i Marc Ravalomanana izy. Efa nitranga tany amina firenena maro maneran-tany izany ka tsy ny eto Madagasikara no hanova azy. Fomba fiasa eo amin'ny resaka diplaomasia sy ny fanelanelanana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny fampifanatonana ireo mpifanandrina fototra tamina ady na krizy iray, ka izay io ataon'ny SADC io. Araka ny tsiliantsofina re dia hivoaka tsy ho ela ny daty sy ny toerana hanaovana ny fihaonana, izay mety ho eto Madagasikara. Mandeha ihany koa ny feo fa mifandrirotra ny fitarihana ity fihaonana ity i Joaquim Chissano sy Marius Fransman.
Mazava be mantsy eto fa fankasitrahana sy voninahitra lehibe no ho azon'izay mpanelanelana mahavita mampihavana an-dRajoelina sy Ravalomanana, ary heriziky ho azy amin'ny asa rehetra mety mbola hataony any aoriana izany. Azo eritreretina ihany koa fa mety misy ambadika politika io fifandroritana hitarika ny fanelanelanana io, Afrikana Tatsimo i Fransman ary Mozambikana i Chissano, ka mba mety samy te hampisongadina ny fireneny tsirairay avy koa izy mirahalahy, na koa mety efa samy manana baiko hotanterahana avy any amin'izay naniraka azy. Nahavita namoaka fifanarahana tany Maputo i Chissano, raha ny sori-dalana kosa ny an’i Fransman. Nandamoka ny fampiharana iry voalohany, mikatso kosa ity faharoa. Iza no hitarika ilay fampihaonana, ny zokiolona Chissano sa ny zandriolona Fransman ? Eo isika mahita izy !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.