Ao anatin’ny herinandro faharoa ny fanaovana fampielezan-kevitra ho an’ireo kandidà ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna.
Tsy mafàna ny ambiansin’ny fampielezan-kevitra fa somary mihainohaino ny olona. Tsy hahenoana firy izay adihevitra manoloana ireo tetikasa noho ny zava-misy tsikaritra eny amin’ny fiarahamonina. Mandalo ny kamio tsara tarehy dia midanàka fotsiny ny olona saingy avy eo miverina amin’ny ataony amin’ny fiainana andavanandrony ihany. Tsy misy mamaky firy ny programanasa eny amin’ny afisy. Tsy mampiraika ny olona intsony ny fifidianana. Tranga mamerina ny adihevitra mahakasika ny fomba amam-panao politika : mifampitarika any amin’ny mahasoa ve amin’izao ? Mahaliana an’ny vahoaka ve ny fandrosoana ny tanàna izay misy azy ? Nahoana no tsy toy ny ambiansa rehefa fampielezan-kevitra ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.