Politique

Fampielezan-kevitra “Tsy mihoatra ny 100 miliara ariary ny vola ampiasaina”


  • Alakamisy 03 Aogositra 2017

Singa goavana mampitovy hevitra ny CENI (Commission Electorale Nationale Indépendante) sy ireo mpisehatra samihafa toy ireo mpanao politika sy ny firaisamonim-pirenena ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana.

 Mifototra amin’io fanitsiana ny lalàna mifehy ny fifidianana io rahateo ny ketrika niarahan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena mikirakira ny fifidianana amin’ireo hery velona eto amin’ny firenena efa ho volana maromaro izao. Teboka iray voajery manokana tao anatin’ireo fikaonandoha fifanakalozan-kevitra mitety faritra moa ny fanaraha-maso ny famatsiambola fampielezan-kevitra hoan’ireo kandida mpifaninana. Nifanarahan’ny besinimaro tamin’izany ny fanokafana kaontina propangady ahitana ny fiavian’ny vola ampiasaina sy ny fandaniana rehetra. Tsy tokony hihoatra ny 100 miliara ariary na 400 tapitrisa ariary isaky ny distrika ny maribola laniana mandritra ny fotoana fandresehan-dahatra ny mpifidy. Efa nankatoavina sy nampidirin’ny kaomisionina mpandinika ny fanavaozana ny lalàna ao amin’ny volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana Malagasy izy io. Andrasana kosa ny fandinihan’ny governemanta sy ireo antenimiera roa tonta izany mialohan’ny famoahana hanan-kery eto amin’ny firenena, araka angom-baovao natao.


Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT