Politique

Fampielezan-kevitra Tsy dia mampiraika ny Malagasy intsony


  • Alarobia 20 Novambra 2019

Tsy dia nalaza ny fampielezan-kevitra. Mitabataba ny mpanao propagandy mandalo kanefa mipitrapitra fotsiny ny olona.

 

 Raha ny lojika, tokony hanaraka akaiky izany ny olom-pirenena noho izy ity fifidianana manakaiky vahoaka. Mahalasa saina ny maro matetika ny hirohotan’ny kandidà ben’ny tanàna hirotsaka amin’io toerana io. Heverina aloha fa eo ny fitiavana te hampandroso ny kaominina saingy misy ny manararaotra ny toerana hampandrosoany voalohany, indrindra ny tenany sy ny havana aman-tsakaiza fa faralahy kosa ny vahoaka. Noho izany, rehefa tonga ilay fotoana fa azon’ny mpifidy tsapain-tanana ny fandehanan’ireo hetra maro samihafa aloany dia azo antoka fa hiverina hanefa ny adidiny izy ireo. Mampalahelo aloha ny fitsoahana andraikitra toy izao, kanefa fotoana iray ahafahany mampiseho fa azy ny fahefana.   Tahaka ny ahoana ny faradoboka ? Tsy maintsy mandalo amin’izany ny mpanohana ao anatin’izay fampielezan-kevitra izay.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT