Politique

Fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana Mitarika fanafoanana ny vato


  • Talata 02 Aprily 2019

Nitondra fanazavana mahakasika ny fampielezan-kevitra ny filoha lefitry ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, Thierry Rakotonarivo.

 

 

Teboka telo no nitondrany fanamarihana dia ny tena fampielezan-kevitra, ny mialoha ny fotoana ary ny fiomanana. Ny fampielezan-kevitra dia feran’ny didim-panjakana ka amin’ity fifidianana Solombavambahoaka ho avy ity dia hanomboka ny alatsinainy 6 mey amin’ny 6 ora maraina izany ary hifarana ny asabotsy 25 mey amin’ny 12 ora alina. Ny hetsika rehetra sy ny fomba rehetra hitaomana sy handresena lahatra ny mpifidy handatsa-bato ho an’ny kandida iray no atao hoe fampielezan-kevitra. Faharoa, ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana dia voararan’ny lalàna ka tsy azo atao. Mety hitarika hatrany amin’ny fanafoanana ny vato ao anatin’ilay faritra nanaovana fampielezan-kevitra ny finiavana hanao izany. Tsy azo atao ny manao fampilezan-kevitra mialoha ny fifidianana sy aoriana, ny hetsika rehetra sy fomba hitaomana ny olona handresen-dahatra na mivantana na an-kolaka mba handatsa-bato hifidy kandidà. Izay fomba sy asa rehetra atao hisarihana ny olona dia tsy maintsy mifanaraka amin`ny lalàna mifehy ny fampielezan-kevitra. Teboka farany ny fiomanana. Nomarihan`i Thierry Rakotonarivo fa ny kandida hilatsaka hofidiana dia afaka manao famoriam-bahoaka, peta-drindrina, miteny amin’ny haino amanjery… Azo ampiasaina sy ampahafantarina avy hatrany koa ny laharana ao anaty bileta tokana mandritra izany. Eo ihany koa ny mitety faritra, mamory vahoaka manangana ny antoko ary mampahafantatra ny programanasa. Tsy azo atao kosa ny manao teny na fihetsika mitaona ny olona hifidy na handatsa-bato ho an’ilay kandida mandritra ny vanim-potoana fiomanana, io ilay resaka pré-campagne. Ny mampametra-panontaniana nymaro dia ny hoe : azo antoka ve fa mahavita manara-maso ireo fandikan-dalàna mety hitranga araka ny voalaza ery ambony ireo ny CENI ka ho sahy hanapa-kevitra,  sa mba resadresaka atao hampitoniana fotsiny ilay izy.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT