Lalàm-pifidianana vaovao no hifehy ny fifidianana hitranga eto Madagasikara manomboka amin’ny taona 2018.
Roa volana na enimpolo andro latsaka no hananan’ilay komity iombonan’ireo minisitera tarihin’ny fiadidiana ny primatiora handravonana sy hamolavolana ny asa efa noketrehan’ny kaomisionina mpandinika sy mpanolo-kevitra teo anivon’ny CENI nahitana ny solontenan’ny firaisamonim-pirenena, ny antoko politika, ny komity miaro amin’ny fahalovana ary ireo teknisianin’ny minisitera telo voakasika, hoy ny fanazavana avy amin’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana. Haroso hodinihan’ny parlemanta amin’ny fivoriana ara-potoana amin’ny volana oktobra io volavolan-dalàna io ahafahana mampahafantatra ny pitsopitsony amin’ny olom-pirenena mpifidy mialoha ny faran’ny taona 2017, araka ny fanazavana. Teboka goavana hita ao moa ny mari-bola tsy mihoatra ny 100 miliara Ariary hiatrehana ny fampielezan-kevitra, ny masontsivana mikasika ireo kandida afaka mirotsaka, ny datim-pifidianana izay hotazomina raikitra amin’ny alalan’ny lalàna velona. Tsy voaresaka mihitsy kosa ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana (pré-campagne), hoy ny KMF/CNOE. Tokony harafitra ao anatin’ny lalàna mitokana ireo sazy ampiharina amin’ireo rehetra mpandika ivelan’ny fe-potoana voafaritra, araka ny fanamarihan’ity firaisamonina sivily ity.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.