Politique

Fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana Mety hiteraka fanintsanana amin`ny fifidianana


  • Alakamisy 26 Septambra 2019

Namamarika ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI) fa tsy mbola tafiditra ao anatin`ny fotoanan`ny fampielezan-kevitra ireo kandidà na dia efa misy ihany ireo manatanteraka izany.

 

 Mbola ao ny fotoana fiomanana mialoha ny fampielezan-kevitra ankehitriny, hoy ny CENI. Nohamafisiny fa aorian`ny famoahana ny lisitra ofisialin ny mpilatsaka hofidiana amin`ity fifidianana ben`ny tanàna sy mpanolotsain` ny tanàna fa nanomboka omaly ny atao hoe: fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra (pre-campagne). Fifidanana fahefatra ity hatrehana ity ka enga anie mba hahitana fanarahan-dalàna amin`izay. Ity no fifidianana handraisan` ny vahoaka rehetra anjara mivantana (suffrage universel direct) farany amin`izao fotoana misy antsika izao. Ny fifidianana ho avy rehetra na fifidianana antenimierandoholona, izay mety ho lehiben` ny faritra na koa faritany dia fifidianana ho an`ireo mpifidy lehibe (suffrage universel indirect) no hanatontosana azy, hoy hatrany ny fanazavana. Raha tsy hoe hanatontosa fitsapan-kevi-bahoaka ny fitondram-panjakana izay hanontaniany ny hevitry ny mpifidy. Manantena ny CENI mba hirona amin`ny fanarahan-dalàna, mba ho maodely aorian`izao famohana ny lisitra ofisialin`ireo kandidà. Raha tsiahivina dia 5 hatramin` ny 26 novambra izao ny fotoana hanatanterahana io fampielezan-kevitra io ka tokony hajaina mba hialàna amin`izay tsy fanarahan-dalàna mety hitarika hatramin`ny fampiatonana ny maha kandidà ny kandidà iray. Notsipihany fa tsy azo atao ny manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana, ary izay minia manao izany dia tsy afaka handray ajara amin`ny fifidianana. Tsikaritra tato ho ato dia eo anivon`ny tambajotra serasera no ahitana sahady izany fampielezan-kevitra mialohan` ny fotoana izany ary tsy tambo isaina ireo kandidà amin` ny fifidianana manao izany.

 Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT