Niteraka resa-be nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany teo ny lalàna mifehy ny fampielezan-kevitra. Tsy mipetraka mazava ny lalàna mikasika azy io raha ny eto Madagasikara no resahina.
Taorian’ny famoahana ny datim-pifidianana dia efa nandeha ny hitsin-dalana. Lesoka efa nipetraka tamin`ny fifidianana farany teo izany saingy toa tsy nisy ny fiovana ary efa mandeha ny paikady isan-karazany ataon`ireo kandidà solombavambahoaka. Raha ny fampielezan-kevitra no hazavaina fohy dia eo ny fanentanana ny olona hifidy ilay kandida na mampiasa ilay teny hoe « fidio aho » miampy ny fanazavana ny programan’asany ihany koa, ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana kosa dia tsy ahitana ireo tranga roa ireo. Tsara ny manamarika fa tafiditra anatin’ny fampielezan-kevitra ihany koa ny filazana hoe aza fidiana ny kandida izatsy na izaroa. Ny CENI rahateo tamin`ny taon-dasa dia nilaza fa tsy misy hatreto ny lalàna mamaritra ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana na dia efa nangataka ny handinihana izany aza. Tokony hanaja sy hifanaja ny kandida rehetra, ary tsy hamitaka ireo malagasy, satria ny fangalarana fotoana mialoha na tsy misy aza ny lalàna dia manome endrika tsy fahatokisan-tenan’ilay kandida, ka lasa misy manatanteraka fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Asa soa isan-karazany, fanambazana ireo malagasy sahirana amin’ny vary iray kapoaka sy ny akanjo misy ny sarin’ilay kandida. Ho an’ny any ambanivolo dia vaovao ireny akanjo ireny, fanaovana diabe, fitsidihana faritra maro samihafa… Tsy voalaza anatin’ny lalàm-pifidianana ny fandrarana fizarana vary sy akanjo nefa dia fitaka ary manakona ny tena maha olona ilay kandidà. Ny fiarahamonim-pirenena aza efa niaka-peo. Mila fehezina ireo kandida sasany noho ny tsy fahatongavan-tsainy sy ny fanararaotana izay misy. Mety ho tahaka izany ihany koa izy ireo rehefa tonga eo amin’ilay toerana. Rehefa dinihana dia mampahazo aina sy mahamety ny rehetra ihany ilay fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana fa samy mody adala fotsiny sy mifandimby mifanakiana. Notanterahina omaly teny anivon’ireo rantsamangaikan’ny CENI eny amin’ny distrika (CED) ny fisarihana ny laharan’ireo kandida miisa 809 ao anaty bileta tokana ary hanomboka ny alatsinainy 6 mey ka hifarana ny sabotsy 25 mey 2019 ny fampielezan-kevitra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.