Politique

Fampielezan-kevitra Maro ireo tabilao mbola banga


  • Alakamisy 07 Novambra 2019

Miditra amin’ny andro fahatelo ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna, izay hatao amin’ny 27 novambra 2019.

 

 Nilamina ny andro voalohany sy faharoa, ary saika nanerana ny Nosy. Tsy dia nahitana endrika firy loatra ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra, saingy, ny fiara tsy mataho-dalana misy ny sarina kandida no mirantiranty eny amin`ny arabe. Tsy nisy kiririoka ho marik’izay fanombohan’ny propangandy izay. Hita ho mbola bangabanga ihany koa ireo tabilao ofisialy fametrahana afisin`ireo kandidà. Mbola mifamoivoy eny amin`ireo trano printy samihafa eny ny kandidà sasany manonta afisy, na samy milaza ho efa nivonona talohan`ny nisokafan`ny fampielezan-kevitra avokoa aza izy. Ny CENI moa no miantoka ireo takelaka hametahana ny afisy sy ny mombamomba ny kandida, ka samy mahazo toerana 1.20m x 1.20m avy ny kandida, na ireo ho ben'ny tanàna, na ho an'ireo Mpanolotsain'ny tanàna, arakaraka ny laharana azon'ny kandida tamin'ny fisarihana laharana niaraka. Apetraka amin'ny toerana be olona mifamezivezy io takelaka io, nefa kosa lavitry ny biraom-pifidianana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT