Politique

Fampielezan-kevitra Ferana ho 30 miliara Ariary ny vola azon’ny kandida iray ampiasaina ?


  • Talata 07 Mey 2013

Mandeha ny feo fa misy volavolan-dalŕna ketriketrehin’ny ekipan’Ambohitsorohitra any hamerana ny vola azon’ny kandida ho filoham-pirenena hampiasaina mandritra ny fampielezan-kevitra fihodinana voalohany sy ny fihodinana faharoa.

 Raha ny loharano-baovaonay dia noferana ho 30 miliara Ariary eo izany ho an’ny propagandy fihodinana voalohany raha 35 miliara Ariary mandritra ny fihodinana faharoa ary 120 tapitrisa Ariary isaky ny kandida ho an’ny fifidianana solombavambahoaka. Mahabe resaka izy ity satria ao ireo mihevitra fa endrika iray entina hanadiovam-bola sy hanamarinana ny loharanom-bola tsy mazava no tanjona amin’izao volavolan-dalàna izao, saingy entina hialana bala fa mangarahara ny vola hampiasain’ireo kandida amin’ny fampielezan-kevitra hataony. Ny fanontaniana mipetraka dia nahoana amin’izao fotoana efa ahafantarana ny isan’ny kandida ka nahafahan’i Andry Rajoelina mirotsaka izao vao navoaka ilay lalàna, raha misy tokoa ? Nahoana no efa samy nitabataba ny Bianco sy ny Samifin ary ny CAEED, vao namolavola ilay lalàna ny fanjakana tetezamita, nefa efa talohan’ny filatsahan-kofidiana no nitakiana izany ? Ho hita eo moa ny mikasika ity volavolan-dalàna ity raha hodinihina mandritra ny filankevitry ny governemanta anio eny Mahazoarivo na tsia.

Rakoutou 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT