Fampielezan-kevitra

> Miseholany ny soloky


  • Alakamisy 17 Oktobra 2013

Mampiahiahy ny vaovao azo avy any ambanivohitry ny Faritra Vakinankaratra mandritra izao fampielezan-kevitra izao. Hararaotin’ny sasany ny tsy fahatongavan’ny afisy misy ny sarin’ny kandidà Dr Robinson Jean Louis any amin’ny faritra tena lavitra any.

Misy moa Ben’ny tanàna vitsivitsy ao Vakinankaratra manohana kandidà Minisitra tato anatin’ny tetezamita ka rehefa anontanian’ny olona ny amin’izay kandidà tohanan’ny filoha Ravalomanana izy ireo dia tsy menatra milaza fa ny kandidàn’izy ireo no tohanan’ny filoha Ravalomanana. Nitrangan’izany tany amin’ny Kaominina Manapa sy Andembesoa, Distrikan’i Betafo sy ny tany Antsiriribe, Distrikan’Antanifotsy. Ankoatra izay dia miely ihany koa ny biletà tokana tsy misy ilay soratra «Spécimen» ka misy milaza fa fikambanana manao fanentanana no manaparitaka azy io, toy ny tany Antsiriribe, ary dia ny toerana misy ny sarin’ny kandidà tian’izy ireo holaniana no atoron’izy ireo ny olona hasiana marika rehefa handatsa-bato.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT