Nanao tatitra mikasika ireo zavatra hitany sy tsapany hatramin’ny nanombohan’ny fampielezan-kevitra, tapa-bolana latsaka izay, ny KMF/CNOE omaly.
Nambaran-dRazafindraibe Ernest, filohany, fa betsaka sahady ireo tsy fanarahan-dalàna nataon’ny kandida tsikaritr’izy ireo tetsy sy teroa. Eo amin’ny lafiny teknika, ohatra, dia nisy ny fahataran’ny fametrahana ny takelakazo fametahana afisy ka misy amin’izy ireny no tsy ampy isa. Vokany, misy kandida nametaka afisy eny amin’ny rindrin-tranom-panjakana nefa voararan’ny lalàna. Tsy mitovy ihany koa ny fametrahana ny laharan’ny kandida eny amin’ny takelakazo sy ao anatin’ny afisy ka manakorontana ny saim-bahoaka ankoatra ny famotehan’ny sasany ny takelakazo na tsy mampiasa mihitsy ny sasany. Nanamarika ihany koa ny KMF/CNOE fa tara ny fanabeazana ny olom-pirenena amin’ny fampiasana ny bileta tokana. Na izany aza anefa dia nanambara ny KMF/CNOE fa mizotra araka ny tokony ho izy ny lalana mankany amin’ny fifidianana hatreto. Manaitra sy manao antso avo amin’ireo voakasika ihany anefa ny KMF/CNOE mba hijery akaiky izay tena laharam-pahamehana. Miantso ny sampandraharaham-panjakana mba hanara-maso ny loharanom-bolan’ny kandida koa izy ireo. Tsara ny manamarika fa nisy ny fanentanana sy ny fiofanana nomen’ny KMF/CNOE ireo tompon’andraikitra isaky ny Distrika folo mikasika ity fifidianana mba hahafahana mandavorary izany araka ny tokony ho izy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.