Fampielezan-kevitra

> “Betsaka ny fandikan-dalŕna hita”, hoy i Lezava Fleury


  • Alakamisy 03 Oktobra 2013

Tsy mbola tena mipetraka ny fitoniana politika eto amintsika amin’izao fotoana izao, hoy ny kandida Lezava Fleury izay anisan’ny tsy dia mankasitraka loatra ny fanatanterahana ity fifidianana amin’ny 25 oktobra 2013 ity.

Io moa nefa no tapaky ny besinimaro ary tohanan’ny fianakaviambe Iraisam-pirenena ka dia tsy maintsy miroso amin’izay lalana tokana hamahana ny krizy izay ny firenena. Ny tsapa anefa ao anatin’izao fandresen-dahatra ny mpifidy izao dia betsaka ireo fandikan-dalàna hita tanterahan’ireo kandidà sasantsasany. Hatramin’izao dia tsy mahalala ny vontoantin’ny biletà tokana ihany koa ireo olom-pirenena any amin’ny toerana ambanivohitra fa zary ireo mponina mipetraka an-tanàn-dehibe no mahita rirany kely amin’ny fampiasana azy ity. Ny isan’ny birao fandatsaham-bato moa tsy mbola eo am-pelatanan’ireo kandida ny tena isa marina ka mampanontany tena ihany ny anton’izay, hoy ity kandida filoham-pirenena ity. Tsy lazaina intsony koa ireo vola be dia be izay tena mitobaka tokoa ankehitriny. Raha izao no mitohy dia tsy ho vahaolana ity fifidianana hotanterahana ity fa hiteraka sy hampitombo krizy lalina kokoa ho an’ny firenena. Aleo misoroka toy izay mitsabo, hoy ny tenany ka mila mandray andraikitra dieny izao ireo tompon’andraikitra amin’izany.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT