Fampielezan-kevitra Ataovy maharitra volana maro, hoy ny KMF

Cnoe


  • Alarobia 29 Novambra 2017

Na ahoana na ahoana fomba filaza, dia efa mazava izao fa mahazo tombony amin’ny fampielezan-kevitra momba ny fifidianana rehetra izay ho avy eo ny antokon’ny fitondrana HVM.

 

Mifanesisesy ny fitsidiham-paritra sy ny fitokanana zava-bita. Mbola mandeha koa ny kabary fampanantenana fa hanao an’izatsy sy izaroa, arahana tsindrom-paingotra kely ho an’ireo sokajiana fa mpanohitra. Maro amin’ireo mpitondra no vavana mamely mafy ny mpanohitra miaraka amin’ny esoeson-teny isan-tsokajiny. Mampiahiahy ny zavatra tahaka izany hoe ny KMF/Cnoe na ny komity mpanara-maso ny fifidianana, satria tena misy ny tombo sy hala. Manao izay tiany ny antoko eo amin’ny fitondrana, ampiasaina ny fahefam-panjakana. Etsy an-kilan’izay anefa tsy afa-mihetsika firy ny antoko sasany. Tokony hosoratana mazava ao anatin’ny lalàna mifehy ny fifidianana ny fitsipi-dalao mazava azo atao sy tsy azo atao, hoy ny KMF/cnoe ary mety kokoa raha atao maharitra volana maromaro, 6 ka hatramin’ny 12 volana ohatra ny fampielezan-kevitra fa tsy iray volana fotsiny.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT