Taorian` ny vono nihatra tamin` ilay kandidà tohan` ny vondrona IRD miaraka ny Filoha Andry Rajoelina tany amin`ny distrika Tsaratanàna izay namoy ny ainy ny alakamisy lasa teo dia manahy ireo kandidà solombavambahoaka hilatsaka amin` ny fomba atrehina ny fampielezan-kevitra.
Handeha ny fampielezan-kevitra ary tsy maintsy hisy ny fitetezana ireo kaominina saingy manahy amin` ireo kandidà ireo amin`ny tsy fandriaampahalemana misy. Ho an` ny distrika Tsaratanàna, midadasika loatra sady mifanalavitra ny kaominina ao aminy izay tsy maintsy tsidihana rehefa hanao fampielezan-kevitra. Manginy fotsiny ny haratsian-dalana izay mampahazo vahana an` ireo jiolahy sy ireo dahalo. Ity distrika ity ao amin`ny faritra betsiboka izay malaza amin`ny herisetra indrindra amin`ny resaka fankana an-keriny. Manao antso avo ireo kandidà amin` ity ditstrika ity mba hijery ny tsy fandriampahalemana izay arak any nambaran` i Jaona Ratefiarivony, izay solombavambahoaka teo aloha ihany koa. Efa nanambara ombieny ombieny tamin` ny praiministra nandritra ny fihaonanay farany tao amin`ny Antenimieram-pirenena fa mila jerena manokana i Tsaratanàna satria raha izao no mitohy dia tsy azo hiainana intsony ny any an-teorana, hoy izy. Mampitaintaina ny fomba atrehina ny fampielezan-kevitra satria vao mipetraka ny kandidatiora dia ireny no mahazo ny namanay ka raha izahay kandidà kely dia ahoana? Mila jerena manokana izahay kandidà dimy, hoy hatrany i Jaona Ratefiarivony. Tato anatin` ny roa taona farany dia nanjaka ity resaka fakana an-keriny tao amin` ity ditsrika ity ary efa niharan` izany avokoa na mpandrahara, na tantsaha, na mpiasa-panjakana miasa any an-toerana. Marihana fa ity distrika ity dia efa nandraisan` ny governemanta fepetra manokana mandritra ny filankevitry ny ministra tapa-bolana lasa izay saingy mbola manao ny ataony ireo jiolahy ary mbala misy olona karohina fatratra hoheverina ho atidoha.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.