Hazakazaka miady amin’ny fotoana ny vanim-potoana fampielezan-kevitra ka ilana fandaminana tsara raha te handresy lahatra ireo mpifidy.
Maro rahateo ireo kandida hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena Malagasy ka noho izany dia naka fepetra mifanaraka amin’ny zava-misy ny eo anivon’ny ACM na Aviation Civile de Madagascar. Voalohany amin’izany ny fanamorana ny fanafarana ireo fiaramanidina kely na angidimby mandritra io fe-potoana io. Raha ny fantatra moa dia tsy ampy ho an’ireo kandida miisa 33 ireo fiaramanidina tsy miankina efa miasa eto amintsika ka rariny sy hitsiny raha misy izay lalàna manokana izay. Azon’ny kandida atao, araka izany, ny manafatra fiaramanidina kely avy amin’ireo orinasa vahiny ho azo ampiasaina eto mandritra ny 4 herinandro. Amin’izao ankatoky ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra izao moa dia efa maro tamin’ireto mpifaninana ireto no naka filankevitra momba azy io. Tsy mila fangatahana alalana ireo kandida mandritra ny fampielezan-kevitra hataony fa kosa mba hitandrovana ny filaminana dia tsy maintsy tonga eo ambany mason’ny tompon’andraikitry ny ACM farafahatarany 60 minitra ary tsy mihoatra ny ora 2 mialoha ny fiaingana ny fandaharam-potoanan’ny sidina atao. Raha tsy voahaja an-tsakany sy an-davany io fepetra saro-pady amin’ny fiarovana ny filaminana io dia sady voasintona ny taratasy fahazoan-dalan’ny mpanamory no tsy afaka manohy ny asany ilay mpampiasa azy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.