Politique

Fampidirana mpitsoa-ponenana Hanova paikady ny fanjakana ?


  • Alakamisy 07 Septambra 2017

Lasa resabe ny vaovao nivoaka tamina gazety mpivoaka isan’andro iray, fa misy ny tetikasa lehibe fanamboarana fotodrafitrasa eny amin’ny lalam-pirenena faha-2 eny Ambohimangakely handraisana mpitsoa-ponenana avy any Syria.

Lasa resabe ny vaovao nivoaka tamina gazety mpivoaka isan’andro iray, fa misy ny tetikasa lehibe fanamboarana fotodrafitrasa eny amin’ny lalam-pirenena faha-2 eny Ambohimangakely handraisana mpitsoa-ponenana avy any Syria. Nikorapaka namono afo sy nandiso iny vaovao iny tamin’ny alalan’ny Minisitry ny serasera Harry Laurent Rahajason ny fanjakana, ka nilaza fa tsy mihevitra ny hanao izany ny mpitondra. Nambara ho fanakorontanana saim-bahoaka ilay vaovao. Anio dia hanao fanambarana amin’ny mpanao gazety ihany koa ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely, voalaza fa hanaovana ilay tetikasa, izay heverina fa mety noteran’ny fanjakana handiso ny vaovao ihany koa. Milaza kosa io gazety io fa nanana ny loharanom-baovaony azony antoka. Tsy vao izao no nahenoana resaka sy fifanarahana tsy mazava ataon’ny fanjakana HVM amin’ny vahiny. Resaka efa nandeha, ohatra, ny fisian’ny tany 200Ha indray homanina sy hatokana ho an’ny Tiorka any Moramanga any. Toerana tsy dia lavitra loatra amin’ilay tanàna voalaza fa lasan’ny vahiny, ka nandroahana fianakaviana 216 vao andro vitsy izy io. Ny tantara no hitsara sy hanamarina izany. Tsy tongatonga ho azy ilay tenin-dRtoa Claudine Razaimamonjy ireny hoe : “Izahay izao au pouvoir !”.

Mitady loza

Mety hisy ny volabe ho azon’ny mpitondra Malagasy, saingy izany ve no hamotehana ny firenena amin’ny fampidirana olona tsy fanta-pototra ? Tsy vitan’ny fampiasana Emmo-reg ity raharaha ity, ka hoforetina tsotr’izao toy ny tany Soamahamanina na ny fandravana grevy intsony satria famotehana ny firenena tsotr’izao. Zavatra saro-pady izany fa tsy tapatapahana fahatany na antsokosoko, ary mila fitsapan-kevi-bahoaka mihitsy aza satria tsy an’ny HVM irery ny firenena. Tsy afaka ny hiolonolona irery eto isika, saingy mila tandrovina hatrany ny fiandrianam-pirenena. Raha tsy ny Malagasy no miara-tonga saina hiaro ny maha izy azy sy tsy manaiky hatao tohatra fiakarana lava eto, tsy ho tafavoaka isika.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT