Politique

Fampiatoana minisitra Tsy tao anaty lahadinika akory


  • Zoma 20 Jolay 2012

Miteraka resabe eo amin’ny tontolo politika eto an-toerana ny fanapahan-kevitra nivoaka nandritra ny filankevitry ny minisitra natao tao Iavoloha ny alarobia 18 jolay 2012, mampiantona amin’ny asany ireo minisitra dimy avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana ao anatin’ny Governemantan’ny Praiminisitra Beriziky Omer.

 Nohararaotin’ny mpanao gazety tao Antsirabe ny fihaonana tamin’ny minisitry ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy, Tabera Randriamanantsoa nangataham-panazavana misimisy kokoa ny amin’izay zava-nitranga nandritra io filankevitry ny minisitra io, ka nitarika amin’ny fandraisana io fanapahan-kevitra io. Nahitsy ny teniny nilaza fa tsy tao anatin’ny lahadinika “ordre du jour” akory iny fanapahan-kevitra iny. Resaka samihafa no nilazana azy tao. Ny lalàna anefa dia mamaritra fa izay resaka ao anatin’ny lahadinika ihany no andraisana fanapahan-kevitra. Mbola iadian-kevitra aza izany vao tapahin’ny rehetra raha toa ka hoekena. Raha ny tenako manokana aloha dia tsy anisan’ny nanapa-kevitra tamin’izany kanefa nahagaga ihany ny fanapahan-kevitra nivoaka tao. Ny tenako manokana dia niresaka tamin’Atoa Andry Rajoelina fa diso ny olona nanome hevitra azy hanao iny fanapahan-kevitra iny.

Tsy izy mantsy no tokony hanao izany fa izay nanao sonia ny tondrozotra satria isika dia ao anatin’ny Governemantan’ny firaisam-pirenena no eto. Io anie efa nisy antony nialoha no tsy nandraisan’ireo minisitra ireo ny asany e ! Nangataka ny hampiharana an-tsakany sy an-davany ny tondrozotra ny ankolafy Ravalomanana, indrindra fa ny hampiharana ny andininy faha-20 izay efa neken’ny rehetra izany, fa kosa nitaky ihany koa ny mpanohana an-dRajoelina fa ampiharina ny andininy faha-45 ka samborina ny filoha Marc Ravalomanana, dia neken’ny rehetra ihany koa izany ary nisy ny fanaovana sonia ny tondrozotra saingy rehefa hody ny filoha Marc Ravalomanana dia niarahan’ny rehetra nahita fa nosakanana indray. Izay no antony niatoan’izy ireo tsy niatrika ny filankevitry ny minisitra intsony. Ary vao ny talata lasa teo ny tenako no niteny tamin’Atoa Rajoelina fa inona no antony tsy ampiharana io andininy faha-45 io raha tena mitombina ny fanenjehana an’Atoa Ravalomanana, fa matoa tsy ampiharina dia misy antony hafa angamba ao mampatahotra azy ireo”.

Mikasika ny fihaonan’ny filoha Ravalomanana sy Andry Rajoelina indray dia fampahatsiahivana no nataon’ny minisitra Tabera fa “efa betsaka izay fihaonana izay saingy tsy tanterahina hatrany. Raha ny zavatra nitranga tany Maputo anie dia ora roa monja dia vita ny resaka fampihavanana tamin’ny filoha Ravalomanana sy ny filoha Ratsiraka e! Ny an’i Andry Rajoelina sy ny filoha Ravalomanana kosa dia andro iray manontolo no lany. Mody nanaiky fotsiny i Andry Rajoelina tany Maputo fa rehefa tonga taty izy dia natahotra ireo namany indray ary nivadika ka ireny niaraha-mahita ireny ny vokany. Ary efa noteneniko azy ny alarobia lasa teo fa ireo olona ratsy indrindra tamin’ny fitondran’ny filoha Ravalomanana ireo olona manodidna azy ireo, ka matahotra valifaty izy ireo sao manao izany ny filoha Ravalomanana raha tonga eto. Tany Pretoria dia ny filoha Jacob Zuma mihitsy no nampihavana azy roalahy fa Rajoelina sy ny namany no tsy manaiky ary izy ihany no ho voa amin’izany amin’ny farany, fa hihaona amin-dRavalomanana Rajoelina dia «échec et Mat» tsy ho any moa izy dia «échec et mat» ihany, ka asakasany ihany. Efa niteny tamin-dRajoelina aho fa tokana ny vahaolana dia ny fampihavanana sy ny fifamelana faobe ihany dia milamina i Magagasikara ary izay ihany no marina”, hoy ity minisitra avy amin’ny ankolafy Zafy Albert ity.

 
Caïus Raharison
 
Niditra birao ary nanohy ny asany isan’andro ireo minisitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana omaly. Miandry ny taratasy soniavin’ny filohan’ny tetezamita sy ny praiminisitra milaza izany fampihatoana anay amin’ny asa izany izahay, dia ho hita eo, hoy izy ireo.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT