Hanao tatitra mikasika izany ny ARMP
Taorian’ny fitsirihana nataony dia hanao tatitra ampahibemaso mikasika ny fampiasana ny volam-bahoaka ny rafitra mahefa mandrindra ny tolobaro-panjakana na ny ARMP, sampandraharaha iray eo anivon’ny Minisiteran’ny vola sy ny fitantanam-bola. Ny alarobia ho avy izao no hanatanterahany izany etsy Anosy. Voakasika manokana ny fampiasam-bolam-bahoaka natao tamin’ny taona 2011 sy ny taona 2012. Manerana an’i Madagasikara no hanaovana azy ity, araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny ARMP Razafy Harison Vonjy saingy anjaran’ny eto Antananarivo aloha amin’izao fiandohany izao. Voakasik’ity fitsirihana natao ity avokoa moa na ny teny anivon’ny Kaominina na ny Faritra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.