Politique

Fampianarana Mbola ilain’ny Fanjakana ve ny sekoly tsy miankina ?


  • Zoma 08 Aprily 2016

Mbola mpiara-miombona antoka ve ny sekoly tsy miankina sy ny Fanjakana ? Tokony hiteny mivantana ny minisitry ny fampianarana Rabary Paul, rehefa tsy izay intsony no izy.

 

Be loatra ny fanavakavahana atao amin’ny mpampianatry ny sekoly tsy miankina raha miohatra amin’ny an’ny sekolim-panjakana ka mahatonga hametraka ny fanontaniana. “Vacation” na tambin-karama tamin’ny BEPC teo aloha dia efa asiana fiangarana fa ny mpiasam-panjakana aloha no nomena fa ny sekoly tsy miankina dia mbola miandry amin’ny fotoana tsy fantatra. Ovana tampotampoka eny antenantenan-taona ny programam-pampianarana saingy tsy mahazo ny programa vaovao ara-dalàna sy ara-potoana ny sekoly tsy miankina. Atao ny fanofanana momba ny fiovana amin’ny fanadinana BEPC saingy hatreto dia tsy mba mahazo fiantsoana ho amin’izany ny mpampianatry ny tsy miankina maro. Telo volana anefa sisa dia higadona ny BEPC. Ampahany ireo fa efa re koa ankehitriny fa tsy hahazo “subvention” na fanampiana toy ny tamin’ny fitondrana rehetra teo aloha, hatramin’ny tamin’ny Repoblika faharoa intsony, ny mpampianatry ny sekoly tsy miankina. Fankahalan’ingahy minisitra ny sekoly tsy miankina mihitsy ve izao ? Araka ny re anefa dia mpiandraikitra sekoly tsy miankina tany aloha ireo faka nipoirany.

Rabeso

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT