Tsy misy sakana tokony tsy hampandroso ny firenena sy hahafahan’ny fanjakana ankehitriny mamaha ny olana intsony. Efa loko tokana sy firehana iray no maro an’isa sy mpanapa-kevitra eto.
Tsy afaka ny hanilika ny rihitra amin’ny atsy na amin’ny aroa, fa dia tena malalaka amin’ny fanapapahan-kevitra. Raha ny eto Antananarivo Renivohitra, ohatra, dia efa avy amina firehana iray ny filoha sy ny ben’ny tanàna. Heverina fa tsy hisy ny karazana lonilony politika, tahaka ny nisy teo aloha. Hanome vola ny CUA ny fanjakana, haverina amin’ny CUA ny SAMVA mpanala ny fako, manampy amin’ny fandaminana tanàna ny polisim-pirenena,… Manerana ny Nosy dia manana depiote maro an’isa, ben’ny tanàna maro an’isa ny fanjakana, ary eo am-pelantanany ny rafi-panjakana manontolo. Raha ny resaka fanoherana izay somary natao fialana bala tamin’ny olana maro teo aloha indray, dia io iaraha-mahita io fa mangingina, ary tsy misy mihitsy ny sakankantsakana ataon’izy ireo. Tsy afaka hanilika ny mety ho tsy ho fahombiazany ny fanjakana tarihin’ny filoha Rajoelina, fa dia tena manjaka tokana aloha. Na izany aza, maro ny fampanantenana ary tena naneho fa hanao zavatra be ny fanjakana. Hatreto anefa, dia tsapa ho mbola miadam-piasa sy tsy tena mahavaha olana. Hatramin’izao, ohatra, tsy voatendry ny lehiben’ny faritra 11 ambiny, raha nolazaina fa alohan’ny fiafaran’ny taona 2019. Somary marisarisa amin’ny lafiny rehetra: diplomasia, vahaolana ara-tsosialy, fifehezana ny vidim-piainana,… Toa mbola misedra olana ny mpitondra, ary manaporofo izany io fitadiavan’ny filoha “cerveaux” na olona votom-pahalalana hifanome tànana io. Tsy mety amin’ny fanjakana ny manangam-pahavalo satria efa izy ireo no ekena ho raiamandreny sy mpitondra ny Malagasy, ka tsy tokony ho gejain’ny hambo-po diso toerana fa tena ho mpampiombona sy hanetsika ny rehetra ho hery hitondra vokatra ho an’ny firenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.