Politique

Fampandrosoana tandrametaka Ho vonoina amin’ny vary mora ireo tantsaha ?


  • Alakamisy 04 Aprily 2019

Ny famaritana ny dikan’ny fandrosoana sy fampandrosoana angamba no samihafa ny fomba fijerin’ny isam-batan’olona an’io eto amintsika satria samy manana ny hiheverany azy na ny mpitondra na ny entina na mahantra na manan-katao.

 

Ho an’i Madagasikara, izay sokajiana ho tany faha-4 mahantra indrindra, endrika lehibe isehoan’ny fandrosoana ny fahaleovantena sy fizakan-tena ara-tsakafo. Tantsaha ny 80% amin’ny Malagasy, saingy io miharihary io fa tsy mahavita tena ara-tsakafo isika, raha tarafina amin’io fanafaran’ny fanjakana vary avy any Pakistan io. Any amin’ny famokarana no tokony hikaroham-bahaolana mafonja, saingy ny an’ny fanjakana Rajoelina, dia zarina amin’ny vahaolana tandrametaka ny Malagasy. Hireharehana fatratra ny fanaovana vary mora, izay toa zavatra mandalo amin’izao fotoam-pifidianana izao ihany. Sa hanana 16 tapitrisa dolara isam-bolana hanaovana an’io ve ny fanjakana ? Vola avy aiza marina no nividianana an’ireny ? Sa efa misy sandany hafa amin’ny karana ? Tsaroana ny zava-nisy tamin’ny fitondrana Ravalomanana nisian’ny “vitrine de Madagascar” ho fitaratra amin’ny famokarana, ka nisian’ny fifaninanana masina nanolorana mari-pankasitrahana ireo tantsaha mahavokatra betsaka. Tamin’izany fotoana isika no nahavita nanondrana vary, saingy izao dia manafatra izay hireharehan’ny fanjakana.  Nandroso isika sa nihemotra 10 taona aty aorian’ny fanonganam-panjakana ? Mbola endrika iray isehoan’ny vahaolana tandrametaka ny nametrahana kaontenera eny La Réunion kely, izay midika fa ampirisihina hijanona eo sy tsy hivoatra mandrakizay izany ireo olona. Ahena ny isan’ny mahantra amin’ny alalan’ny famoronana asa fa tsy homena vahana omena ireny, tsy zarina toloram-potsiny amin’ny vary mora fa ampiana mba afaka hiary sy hahaleotena saingy misy tombontsoa politika moa fanazarana azy ireo amin’ity politikan’ny kimoramora, domina tapany handoa erany ity.  7,1% isan-jato ny harin-karena faobe tany alohan’ny 2009, faha-84 amin’ny 180 tamin’ny resaka ady amin’ny kolikoly, maherin’ny 90% ny tahan’ny fidirana an-tsekoly, ka mbola aotra ny naotin-dRajoelina raha tsy mahavita mihoatra an’ireo na hanangana building sy faritra ara-toekarena (ZES) miaraka amin’ny Maorisianina, Sonegaly,… Ny atao hoe fandrosoan’ny Malagasy dia fivoarana sy fihatsaram-piainana azo tsapain-tanana sitrahan’ny isam-batan’olona fa tsy kisehoseho ivelany amin’ny zavatra iray mety mamirapiratra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT