Politique

Fampandrosoana sy gaboraraka Tsy afaka hiaraka mandrakizay


  • Zoma 14 Febroary 2020

Adihevitra tsy hifankahitana indray no ateraky ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fiadidian’ny tanànan’Antananarivo tamin’ny fanapahan-kevitra nanaisotra ireo mpivarotra amoron-dalana ho an’ny tombontsoan’ny rehetra.

 

 

Mahazo mivarotra indray fa maka sisiny tsara fotsiny, raha ny toromarika. Mety nisy ny fifandresen-dahatra sy ny fijerena ny maha olona ka nilefitra sy nihemotra tamin’ny fanapahan-keviny ny kaominina. Na izany aza, dia mila mpitantana hentitra isika, ary tsy hisy fandaminana sy fandrosoana vanona, raha tsy misy ny fanajana ny lamina sy ny tanàna. Zatra miaina sy nampiainina loatra tamin’ny gaboraraka ny Malagasy ka sarotra ny hanarina sy hanitsy azy aty aoriana. Mila hay ny fanavahana ny atao hoe: jadona sy ny fampanarahan-dalàna sy fitsipika. Raha jadona no azo handikana izany mba hahasoa ny maro an’isa dia tena ilaina. Zary lasa manome tsiny lava ny mpitondra ny entina rehefa tsy misy zava-bita, kanefa izy aza sarotra ahitsy sy tsy manaiky ny lamina. Tsy tongatonga ho azy ny fandrosoan’ny firenen-kafa, fa tena misy fifampitaizana sy fiaraha-mandray andraikitra, misy ny lamina natao hotoavina. Mila finiavana ara-politika goavana io. Raha handray, ohatra, iray dia ny fanajana ny fitsipika, ny lamina, ny fahadiovana no nampandroso an’i Singapour. Zavatra heverina ho tsotra kanefa tena mahasoa ny tsy fahafahana mihinan-javatra, mitsakotsako na misotro zavatra, eny fa na rano aza eny ambony fitateram-bahoaka. Mandoa onitra 1000 dolara avy hatrany ho an’izay tratra. Any Soisa ihany koa, ohatra, dia 40 hatramin’ny 1000 francs vola any an-toerana ny sazy ho an’izay tratra manary fako eny an-dalambe. Ny antsika eto kosa raha mba misy miteny sy manitsy amin’ny tsy mety dia “iny koa miseho milay sy mianan-kendry”. Mila fanovana goavana ara-toe-tsaina isika, izay tena mbola ady sarotra. 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT