Politique

Fampandrosoana ny Zanak’Ambanivolo Any amin’i Botozaza ny lakile


  • Alarobia 20 Martsa 2013

Tany amin’ny Kaominina Betsizaraina ao anatin’ny Distrikan’i Mahanoro ny praiminisitra lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria Botozaza Pierrot ny sabotsy 16 martsa teo. Marihina fa tanindrazan’ny amiraly Didier Ratsiraka ity Kaominina ity.

 Nafana ny fihaonan’i Botozaza Pierrot tamin’ny vahoaka tany an-toerana, nifanojo rahateo tamin’ny lanonana fifampiarahabana noho ny nahatrarana ny taona vaovao 2013 nokarakarain’ny fikambanana Zanak’Ambanivolo, izay izy no filoham-boninahiny. Nanasa manokana ny praiminisitra lefitra ho tonga tany, araka izany, ny Zanak’Ambanivolo. Hafa kely ny fitrangan’ny fihaonana satria dia notolorana lakile iray lehibe ny praiminisitra lefitra Botozaza Pierrot, nandritra ny fihaonany tamin’ny vahoaka izay nangorompotsy nameno ny kianjan’ny Kaominina Betsizaraina. Marika ihany io, saingy mitory fihatokisana sy fanantenana. Nazava ny hafatr’i Hubert Rakotoson na i Salo izay solombavambahoaka Tiako I Madagadikara teo aloha fa «atolotra an’i Botozaza Pierrot ny lakile lehibe mba hanokafany ny fampandrosoana an’i Madagasikara, indrindra fa i Mahanoro».

Nandritra ny kabariny no nanambaran’ny praiminisitra lefitra Botozaza Pierrot fa zanak’ambanivolo, adika koa hoe zanaka tantsaha, ny tenany ary «ny tena tia tanindrazana ho izy dia mitsinjo hatrany ny zanak’ambanivolo». Nohamafisiny fa tsy ho vitany izy samirery izany asa fampandrosoana izany fa tsy maintsy iarahany amin’ny rehetra. Tsy tokony hofitahana ny vahoaka ho izy, ary tsy mety raha zavatra efa fantatra fa tsy vita izao kanefa dia mbola ampanantenaina azy ihany. Namerina indray i Botozaza Pierrot fa ny hilazana ny zavatra tsy mety no antony nidiran’ny ankolafy Ravalomanana tao anatin’ny tetezamita. Nanome toky ihany koa izy fa rehefa tafaverina amin’ny ara-dalàna ny eto Madagasikara ka mbola eo amin’ny fitondrana izy ireo (ankolafy Ravalomanana) dia asainy ho tonga any Mahanoro ny Banky iraisam-pirenena hijery ny vahaolana ho fampandrosoana ny ao Betsizaraina. «Tsy hisy ny fampandrosoana azo antenaina raha toa ka tsy manana fahendrena ny mpitondra», hoy i Botozaza Pierrot. Nanolotra omby 6 sy vary 15 kitapo miampy baolina sy fanamiana ary fitaovana maro samihafa ho an’ireo tanora mpanao fanatanjahantena tany an-toerana moa ny praiminisitra lefitra.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT