Politique

Fampandrosoana ny Renivohitra Mila lamina maty paika


  • Zoma 14 Febroary 2020

Hita ho somary sahirana ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina, amin’ny fandaminana an’Antananarivo renivohitra, tsy misy ny vahaolana mahomby momba ireo mpivarotra anaty arabe sy amoron-dalana.

 

 

 

 

 

Tsy misy zava-baovao, avela hivarotra ihany izy ireo. Tery ihany ny lalana amina faritra maro. Ny faritra nosafidiana manokana no hanaovana hetsika fandaminana ny fifamoivoizana mba ho hita maso hoe miasa, fa amin’ny ankapobeny tsy nisy niova aloha. Mety hisy hiteny fa vao iray volana monja izy no niasa ! Tahaka izany ihany no resaka vantany vao nandray fahefana ny filoha Andry Rajoelina, dia samy nangina tokoa ny rehetra. Fa herintaona (12 volana) aty aoriana kosa dia mbola governemanta kitsapatsapa herintaona indray no mitsangana ary manjavozavo hatrany ny tena tiana hahatongavana. Iray tarika, iray antoko Atoa  Rajoelina sy Andriantsitohaina, mety hitovy ihany koa ve noho izany ny fomba fiasa ? Maro aloha no mihevitra fa tokony hahavita zavatra eto Antananarivo i Naina Andriantsitohaina raha mahay manetsika ny herivelona rehetra eto, mahay miara-miasa amin’ny rehetra, ary mahafantatra ny tena laharampahamehana.Fandaminanana sy fanadiovana ny tanàna amin’ny ankapobeny toa ny tsena, ny mpivarotra amoron-dalana, ny fanesorana ny fako;  fametrahana andrin-jiro, fampitomboana ireo trano fivoahana sy trano fidiovana ho an’ny daholobe, araka ny efa re tany anaty propagandy, fanampiana ireo sekolim-panjakana ianaran’ny zana-bahoaka, fikarohana vahaolana amin’ireo mpatory an-dalana izay manome endrika ratsy ny tanàna.Ireo no atao hoe asa tena maika izay raha mandeha tsara dia hanova endrika miandalana ny renivohitra.Mpitantana orinasa, mpandraharaha mialohan’ny nidirany teo amin’ny sehatra politika i Naina Andriantsitohaina, mahalala tsara an’Antananarivo, ary efa nanokana fotoana maro izy nihaonana tamin’ny mponina isam-pokontany teo.Inoana fa fantany ny tokony ataony, ary hainy ny hisafidy ireo mpiara-miasa aminy ka hahafahana manatanteraka ny vina sy ny fampanantenana fa tsy sanatria ho lasa kabary politika fotsiny; tsy misy ny maniry ratsy fa samy te hivoatra fa mila atao mazava tsara kosa anefa ny lalan-kombana ary tanterahana izay nampanantenaina.Tsy afaka matoritory ingahy ben’ny tanàna ary tena mila manao izay tratry ny heriny satria tena miandry ny vahoakan’Iarivo ary dodona hiaina ny fanovana hahazoana fiainana tsara sy tontolo maha te honina kokoa.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT