Politique

Fampandrosoana ny firenena Ny MAP irery no tena matotra


  • Alakamisy 31 Martsa 2016

Hitsingerina afaka 3 volana sahady indray ny faha-55 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Repoblika 4 ihany koa no efa nifandimby saingy tsy mbola tafavoaka ny tonelina hatrany ny vahoaka Malagasy.


 
Tsy nitsaha-nitombo rahateo ny taham-pahantran’ireo mpiray tanindrazana izay mananika ny 92% hatramin’ny taona 2009 nisian’ny fanongam-panjakana. Niavaka tamin’ny maro kosa anefa ny Madagasikara Am-Perinasa (MAP) novolavolain’ny fitondrana Ravalomanana ary naseho vahoaka ny volana oktobra 2006. Programa tokana matotra ho an’ny firenena tokony ho nanafainganana sy nandrindrana ny asa fampandrosoana miaraka tamin’ny fanatanterahana ny dingana lehibe ho fanatsarana ny toekarena. Tsy nanana fandaharanasa mazava mantsy ny fitondrana tetezamita (2009-2013), ary manjavozavo sy nijanona ho kabary fotsiny ny PND an’ny fitondrana HVM sady tsy nahitana famatsiam-bola. Raha tsiahivina, drafitrasa goavana manoritra ny sori-dalana sy laharam-pahamehana ho an’ny firenena tao anatin’ny 5 taona, 2007 hatramin’ny 2012 io novolavolain’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc sy ny ekipany io. Hafa noho izao moa ny zava-nisy teto raha tontosa an-tsakany sy an-davany ireo tanjona lehibe fampihenana ny fahantrana sy fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy. Voalaza tao anatin’ny MAP, ohatra, fa 50% ny tahan’ny Malagasy mahantra miaina latsaky ny 2 dolara isan’andro ny taona 2012. Hiakatra 80% ny salanisan’ny mponina mahay mamaky teny sy manoratra. Manodidina ny 7 hatramin’ny 10% kosa ny tahan’ny fitombon’ny toekarena. Vinavinaina ho 5,2 ihany koa ny tondro fahatsapana ny kolikoly ary hahatratra 75% ny tahan’ny mponina manana taratasin-tany. Naongana ny fitondrana Ravalomanana ny taona 2009, vokany efa ho ny 50%-n’ny Malagasy no tsy mahay mamaky teny sy manoratra, mahantra ny 92 %, io ady tsy mety vita io ny resaka fananan-tany vantany vao nitsahatra ny fandaharanasa MCA. Ny kolikoly moa dia lasa tahaka ny fanampin-tsakafo isan’andro ka mahatonga ny firenena Malagasy ho ratsy laza maneran-tany.



Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT