Voatendry omaly alarobia 12 febroary ny governoran’ny Faritra Vakinankaratra Atoa Rakotovao Vy Vato Rakotomaditra sy ny faritra Vatovavy Fitovinany Razafitsotra Olivier.
Ireo faritra ireo dia anisan’ny manana ny tanjany ara-toekarena eto amin’ny firenena. Andrasana izany ny faritra 9 hafa. Heverina fa mahavita ireo matoa napetraka. Fampandrosoana ny isam-paritra no tanjona ary irariana mba tena ho tonga amin’izay ny firenena. Mila ampiharina ny fitsinjaram-pahefana tena izy, mila tetibola sy tan-tsoroka ara-teknika ireo. Mila omena ny governoram-paritra ny tetibola mifanaraka amin'ny programan’asany, ary izy miara-miasa amin'ny ben'ny tanàna isaky ny kaominina, izay tsy tokony hisy fanavahana loko politika. Ankehitriny, dia efa nofaritana fa 5 miliara ny vola hoenti-miasa, ka ny 1 fampihodinan-draharaha ary ny 4 hoenti-manatanteraka tetikasa. Kely sy bitika rehefa tsinjaraina ho isaky ny kaominina satria miisa 1695 izany manerana ny Nosy. Asa maika ny lalana, fametrahana fandriampahalemana, fiarovana ny vahoaka sy ny fananany orinasany, toeram-pivarotany, tanimboliny, biby fiompiny, sekoly. Toeram-pitsaboana, tsy voatery ho hopitaly manarapenitra be fa mety sy takatry ny sarambabem-bahoaka. Tsy afaka mamokatra sy miasa ny olona mitaintain-dava sy tsy salama. Ho an’ny taona 2019, tsy nisy afa tsy 19 na 20% teo ny taham-panatanterahana ny asa sy ny fandaniana ny tetibola isaky ny ministera. Ny an'ny ministeran'ny fahasalamana no tafiakatra 36%. Tena kely sy tsy tanteraka ny fanamby ho an’ny asa tokony notanterahina. Mila aparitaka ny vola hiasan'ny isam-paritra fa tsy fehezin'ny fitondrana foibe. Mila asa mivaingana ny olona ary mila mahatsapa fa atokisana izy sady mihatra mivantana amin'ny fiainany ny vina sy ny programanasa. Tsy misy afa tsy ny fitsinjaram-pahefana tena izy no mahomby amin'io. Omena ny fahefana feno sy ny hoenti-manana ny eny ifotony fa afaka mitsirika sy manara-maso ny fitondrana foibe koa satria manana rafitra ara-dalàna hanaovana an'izany. Anisan’ny foto-kevitra voizin’ny antoko Tia Tanindrazana ny tokony hisian’ny fitsinjaram-pahefana sy fitsinjaran-karena ary ny fitsinjaram-pampandrosoana hipaka any ifotony io. Manakiana rehefa misy tsy mety ary tsy mijanona fotsiny amin’izay fa mitondra ny soso-kevitra sy anjara biriky ho an’ny firenena. Tsy efa fotoana hanaporofoana ve izao fa mahatoky ny vahoaka ny mpitondra ary ny vahoaka mila mahatoky ny fahendrena sy fahaiza-miasan'ny mpitondra ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.