Nambaran’ny minisitra Andriamosarisoa Annicet ampahibemaso tao anatin’ny fivoriana azon’ny besinimaro natrehana teny Tsimbazaza omaly nandritra ny fandaniana ilay volavolan-dalŕna lah.
001/13 hanomezan-dalana hanao sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena miady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina eo amin’ny fanaovana fanatanjahantena fa homen’ny minisitera birao iray ao aminy sy fiara iray hiasany ny depiote Randrianasolo Volatiana Pauline, filohan’ny vaomieran’ny tanora sy fanatanjahantena eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Hisaorako manokana ny ministera amin’izao zavatra ho ataony izao, hoy ity solombavambahoaka voafidy tany Vondrozo ity izay efa tompondakan’ny atletisma tany Farafangana tamin’ny 1983 fifaninanana 5km, fa hahafahana manara-maso tsara ny fiasan’ny mpanatanteraka izany ary koa handraisana ireo soso-kevitry ny rehetra mba hampandrosoana ny fanatanjahantena eto amintsika. Enga anie, hoy ny depiote Volatiana Pauline, mba ho modely halain’ny ministera hafa rehetra tahaka izao ataon’ny ministeran’ny tanora sy fanatanjahantena izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.