Politique

Fampandrosoana isam-paritra Miala any indray ny “Zones d’émergence”


  • Alakamisy 16 Janoary 2020

Omaly no neken’ny Filankevitry ny Minisitra ny fifanarahana teo amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara sy ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika,

 

 

 

 ho entina mametraka ny tahirim-bolamena eo anivon’ny Banky Foibe. Izany no natao dia ho entina mamehy ihany koa ny politikan’ny vola eto Madagasikara.Eo amin’izay sehatry ny toekarena izay ihany  dia hapetraka ny rafitra sy ny paika entina mametraka ireo antsoina hoe “Zones d’émergence”ahafahana mametraka ireo toerana voatokana hanatanterahana ireo tetikasa voafaritra ao anatin’ny Programa Enti-manandratra an’i Madagasikara ; ka hisy ny vaomiera manokana iraisan’ny ministera isan-tokony handrindra sy handamina izany ary hametraka ny lalàna mifehy ny faritra tsirairay avy. Handrafitra izany vaomiera izany ireto ministera ireto : ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, ny ministeran’ny fambolena, ny fiompiana sy ny jono, ny ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, ny ministeran’ny indostria sy ny varotra ary ny asa-tanana ary ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra.Mbola eo amin’ny fametrahana rafitra ny resaka eto, tsy mbola fantatra ny tetiandro mazava na ireo faritra mety ahitana ny “Zones d’émergence”, sy ny hoe ahoana moa izany ny famatsiam-bola hampiodinana azy ity.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT