Araka ny and. 149 ao anatin`ny lalàmpanorenana, “ny kaominina dia mandray anjara amin`ny fampandrosoana ara-toekarena, ara-tsosialy, ara-kolontsaina sy momba ny tontolo iainana eo amin’ ny fari-pifidianam-paritra misy azy.
Ny fari-pahefany dia mikasika indrindra ny feni-kevitry ny lalàmpanorenana sy ny lalàna ary koa ny feni-kevitra momba ny fanatonana ny vahoaka, ny fampivoarana ary ny fiarovana ny tombontsoan` ny mponina”. Noho izany, ny asa sahanin` ny ben` ny tanàna sy ireo mpanolotsaina dia iankinan’ny fiainam-bahoaka andavanandro. Manana andraikitra amin`ny fanomezana alalana amin`ny fanonganana fotodrafitrasa na koa handrodana trano… Eo ihany koa ny fitakiana ny trosa na ny hetra miditra amin`ny tanàna. Ireo zavatra voakasiky ny lalàna ankapobeny mifehy ny hetra dia ny tanàna no tokony hizaka azy. Ny toerana misy indostria, ohatra, dia tsy maintsy misy hetra amin`ny ampahany miditra any amin`ny kaominina. Ny harena ankibon`ny tany dia misy ampahany miditra any amin`ny kaominina. Voalaza mazava ao amin` ny lalàna 2014-020 ao amin` ireo andininy 180 hatramin` ny 236 io fahaleovan-tena ara-bola io. Anisan` ny zava-dehibe amin` ny fampandrosoana ifotony sy ny fitsinjaram-pahefana tokoa ny fampidiran-ketra, ka andraisan` ny mponina anjara, ny fitantanana mangarahara. Anisan`izany koa ny fandriampahalemana izay mampiroboro ny fandrosoana ara-toekarena ary mety hampisongadina ny faritra. Marihana fa mitombo hatrany ny elanelana eo amin` ny mpanankarena sy ny mahantra. Nohararaotin`ny mpanankarena ny krizy toekarena sady mbola mahazo tombony izy ireo amin` ny tsy fandoavan-ketra sahazy azy. Mila harenin`ny fanjakana ny fomba fandoavan-kevtra hahazoana famatsiam-bola hanatsarana ny raharaham-bahoaka.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.