Politique

Fampandrosoana entin’ny governemanta vaovao « Hiisatra sy tsy hipaka mivantana amin’ny vahoaka »


  • Alarobia 05 Febroary 2020

Betsaka ireo fotodrafitrasa tsy miaro ny vahoaka eto amintsika, hany ka vaky, toy ny lalan’i Mahajanga, ohatra, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika, ABA, Dany Rakotoson,

 

 

 raha nampifandray ny fomba fifantenana ny governemanta vaovao sy ny vokatry ny andro ratsy nandalo teto amin’ny firenena farany teo. Lalam-pirenena iny ary azo atao hoe lalandran’i Madagasikara toy ny lalan’i Toamasina. Tetikasa matetika no hananganana azy ireny fa tsy tena volan’ny fanjakana. Tsy atahorana ny hisian’ny fihotsahana goavana toy ireny, raha tena manara-penitra, hoy hatrany izy. Antony hiantsoako matetika ny mpitondra io hoe mila alefa haingana ilay fivoarana fa mamono olona ary mipoitra izy io. Eo amin’ny resaka seraseran’ny governemanta sy ny mpanohitra, amiko dia tsy fahaiza-miasa no betsaka. Resaka voin-kava-mahatratra tsy mila iadian-kevitra ny manome. Azon’ny governemanta atao ny manenjika mpisoloky amin’ny toe-javatra toy ireny saingy ilay fepetra raisina kosa dia tsy tokony hahatafiditra hatramin’ny tsy mpisoloky. Lasa mampihomehy ilay filazana samihafa mifanesy satria maneho ny tsy firaisankinan’ny mpitondra. Tsy ilay ain’olona mila vonjy no misongadina fa ny manampy. Mila feran’ny filoham-pirenena ihany ny fanenjehan’ireo mpikamban’ny governemanta sasany ny mpanohitra, hoy ity mpanao politika ity, fa manimba ny endriky ny fitondrana. Mikasika ny fijoroan’ny governemanta vaovao moa dia nilaza ny tenany fa lojika raha governemanta tekinisianina natao ho baikoana no najoron’ny filoham-pirenena satria tsy mazava ny ideolojia na foto-kevitra ijoroan’ny antokony. Mety hitondra fampandrosoana ihany izay saingy hiisatra sy tsy hipaka mivantana amin’ny vahoaka, hoy ny fanazavany.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT